Taratra

Ambato Boeny : Mitaky ny hamerenana ny tranony ireo olon-tsotra

Tsipahin’ny olon-tsotra tompon’ny trano ny fibodoana mpitsabo iray mpiasam-panjakana ao amin’ny fokontany Mangaroa, kaominina ambanivohitra Ankijabe, ny taniny, amin’izao fotoana. Mitaky ny hamerenana ny taniny izy ireo taorian’ny fifanarahana nisy teo amin’ilay mpitsabo. “Misy taratasy ara-dalàna manambara fa mifarana ny 2024 ny fampiasan’ilay mpanararaotra fahefana ny tany”, hoy ny nambaran’ilay […]

Kitra any Allemagne  : Efa tompon-toerana i Bolo

Malagasy mpilalao baolina kitra, efa mametraka ny lazany any Allemagne, i Voaha­riniaina Kanto Fitiavana na i Bolo. Tapa-bolana teo izay no niarahany tamin’ny kliobany vaovao, Hertha Zehlendorf Berlin 03. Efa tompon-toerana sahady ny lehilahy, nandritra ireo fihaonana roa efa vita. Nilalao nandritra ny fe-potoana 45 minitra izy raha nifanandrina tamin’ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Ho fantatra amin’ny alahady ho avy izao izay ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, vehivavy, sokajy D2. Hifandona amin’izany ny ekipan’ny UAS Cheminots (Besetroka) sy ny FTVL (Lalamaty). Hotan­terahina miaraka amin’izany koa ny lalao sakana eo amin’ ny lehilahy. Hifanandrina ny 3FAI sy ny Cheminots. Fantatra fa hisy Malagasy vitsivitsy handrafitra […]

Futsal, vehivavy – CAN 2025: Miray vondrona ny Barea sy i Sénégal

Notontosaina omaly, tany Egypte, ny antsapaka amin’ny andiany voalohany hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, lalaovina anaty efitrano na “futsal” sokajy Sénior, vehivavy. Anisan’ireo mandray anjara amin’izany i Madagasikara. Fantatra ary fa ao amin’ny vondrona “C” ny Barea, miaraka amin’ny Lionan’i Teranga an’i Sénégal sy i Tanzanie. Miisa […]