« Anarenana ny olana ara-bolan’ny Air Madagasikara no antony namarotana ireo Airbus miisa roa A340-300 », hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valery, omaly. Tafakatra hatrany amin’ny 100 tapitrisa dolara (500 miliara Ar) ny trosan’ny kaompania amin’ireo mpampisambo-bola, ka nahatonga izao fanapahan-kevitra izao. Ankehitriny, napetraka eny […]
Taratra
Serasera: Fifaninanana dokambarotra
Tsy mitsahatra mivoatra ny tontolon’ny serasera. Miantraika any amin’ny sehatry ny dokambarotra koa ny fihazakazaky ny niomerika. Hatao ny 14 febroary 2025 ho avy izao ao amin’ny IFM Analakely ny « Alin’ny dokambarotra sy ny famoronana », andiany voalohany. Hetsika mifantoka amin’ny famoahana ny vokatry ny fifaninanana miompana amin’ny famokarana sy famoronana […]
Jirama: Tokantrano 200 000 hovatsiana jiro vaovao
Misy ny vina lavitr’ezaka hampitomboana ny vokatra herinaratra. Hitarina, noho izany, ny tokantrano misitraka herinaratra manerana ny faritra. Manohana ny tetikasa Lead ny Banky iraisam-pirenena. Tanjona ny hampitomboana ny fisitrahana herinaratra eto Madagasikara. Nampahafantarina, omaly, ny fahazoana fiarabe miisa 13, haparitaka any amin’ny faritra, hiantoka ny fitaterana ny fitaovana sy […]
Faritra andro ratsy: Manomboka mikorontana ny toetry ny andro
Miha manatona tsikelikely ny morontsirak’i Madagasikara ilay faritra andro ratsy ao amin’ny ranomasimbe Indianina. Miha mafy koa ny talio, tombanana ho betsaka ny rotsakorana ho an’ny faritra avaratra andrefana sy afovoany atsinanana (50 hatramin’ny 100mm ny rotsakorana), andrasana ao anatin’ny 24 ora. Hanomboka ny alatsinainy izao izany ho an’ny faritra […]
IST Antananarivo: Manam-pahaizana 1 388 nivoaka tamin’ny fomba ofisialy
Mpianatra 1 388 tao amin’ny ivontoerana ambony momba ny teknolojia (IST) eto Antananarivo no navoaka tamin’ny fomba ofisialy, tamin’ity herinandro ity. Mpianatra 671 avy amin’ny andiany faha-29, nisalotra ny anarana “Maharitra”. Mpianatra 717 avy amin’ny andiany faha-30, nitondra ny anarana «Kintana». Nahazo ny diplaoma “Techniciens Supérieurs”, “Techniciens Supérieurs Spécialisés de […]