Taratra

Herinaratra tapaka : Trano iray kila forehitra, olona iray naratra

Nitrangana haintrano ma­hatsiravina indray tao amin’ny fokontany Depot fahefatra, parisela 23/44, omaly maraina tamin’ny 2 ora. Tonga ara-potoana namono ny afo ny avy amin’ny Vondrona mpamonjy voina fa indroa tsy tafiditra tany amin’ilay toerana nitrangan’ny firehetana. Ni­tarika olana tamin’ny famonoana ny afo izany satria nanao tifi-davitra tamin’ny alalan’ny fantsona mitondra […]

Renim-pianakaviana novonoina : Nalevina sy hita teo an-tokotany ny fatiny

Hita nalevina teo an-tokotany iray, any Ambohitranjavidy, Moramanga, faritra Alaotra Mangoro, ny vata-mangatsiakan’ny renim-pianakaviana, efa tsy hita nandritra ny fotoana ela, afakomaly. Razana efa potika sy efa simba tanteraka no hita nandritra ny famongarana azy tao. Raha ny fantatra, tsy hita popoka nanomboka ny volana marsa 2024 io ramatoa io. […]

Zaza varira nisy naka an-keriny : 17 ireo voasambotra, raikeliny ihany ny iray

Ravan’ny polisim-pirenena ireo olon-dratsy mpaka an-keriny ilay zaza varira, dimy taona, very tany amin’ny distrikan’i Vohipeno, ny faran’ny herinandro lasa teo. Mahatratra 17 ireo tompon’antoka tamin’izany. Tratran’ny polisim-pirenena tany amin’ny lalam-pirenena faha-12, tao Ambila, 20 km miala an’i Manakara, afakomaly tamin’ ny 10 ora alina, ireo nangalatra sy nitondra ilay […]

Lalao’tsika – Yas Madagascar : Mpanjifa 32 nisitraka fanomezana

Natolotra omaly, teny Andraharo, ny lokan’ireo tsara vintana rehetra amin’ny «lalao’ tsika» andiany fahefatra nokarakarain’ny Yas Ma­da­gascar. Hetsika anisan’ny andrasan’ny mpanjifa isan-taona ny «lalao’tsika». «Natao hizarana fanomezana ho an’ny mpanjia sy hampahafantarana ny tolotra rehetra misy eo amin’ny Yas Mada­gascar ny lalao», hoy ny tomponandraikitry ny orinasa, Andriambololoniaina Riantsoa. Tamin’ity […]

Fanaovan-tsonia Santatra : Miara-miasa i Madagasikara sy ny Emirats-Arabo Mitambatra

Notanterahina omaly, tany Dubai, ny fanaovan-tsonia santatra. Fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana roa tonta. Antsoina hoe Accord de partenariat économique global na Comprehensive Economic Partnership Agreement (CEPA) izany fifanarahana izany. Nisolo tena ny fanjakana malagasy, tamin’izany, ny minisitry ny Fampiro­boroboana ny indostria sy ny varotra, Ralambofiringa David, misolo toerana ny minisitry ny Raharaham-bahiny […]