Nihaona tamin’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, i Salava Julien, ny tale mpanatanteraky ny Formapro sy ny lehiben’ny tetikasa. Mikendry ny fanatsarana ny tolotra fiofanana amin’ny sehatry ny fanorenana sy ny asa vaventy (BTP) ny tetikasa. Manohana amin’ny fiantohana ny kalitaon’ny maha olona ihany koa izany. […]
Taratra
Minisiteran’ny Mponina : Hovatsiana fitaovana sy vola ny vehivavy
Nambaran’ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurelie, fa vonona ny minisitera hanohana sy hanampy ireo fikambanam-behivavy mijoro ara-dalàna. Nanteriny fa mba tsy ho an’ny Andron’ny 8 marsa ihany no hijerena azy ireo. “Hatao mandavantaona ny hetsika hanohanana azy ireo. Hanampy tosika ara-pitaovana sy ara-bola ny fanjakana, miainga amin’ny […]
INDRAY MIJERY
Nanohy ny fidinana tao Vangaindrano ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana araka asa, ny faran’ny herinandro teo. Ankoatra ny fihaonana tamin’ny tomponandraikitra ao an-toerana, nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ihany koa ny Marathon de formation, ka tanora maro no nisitraka fiofanana faobe momba ny fanamboarana savony sy labozia, ahafahan’izy […]
Tetikasa Tady: Sahanasam-pampandrosoana 30 mendrika hosafidiana
Namolavola ny tetikasa Tady ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny ho fanentanana ireo Malagasy mpilaravinahitra any ivelany handray anjara amin’ny fampandrosoana amin’ny tany niaviany. Haharitra efatra taona ny tetikasa, vatsian’ny Agence française de développement (AFD) vola, nanomboka ny taona 2023 hatramin’ny 2027. Mitety faritra ireo tomponandraikitra eo anivon’ny tetikasa manatanteraka atrikasa fifanakalozana sy […]
Zavamaniry hitsaboana : Nandray anjara tamin’ny Iora Amar ny Cnarp
Nisolo tena an’i Madagasikara nandritra ny fivoriana iraisam-pirenena momba ny fivoaran’ny fikarohana mahakasika ny zavamaniry ampiasaina sy ahodina ho fanafody Iora-Amar 2025 tany Lucknow (Inde) ny ivontoeram-pikarohana momba ny zavamaniry hitsaboana (Cnarp) eto Madagasikara. Nandritra ny 10 andro, nifarana tamin’ity herinandro ity izany. Nivoitra tamin’ny fihaonana ny maha zava-dehibe ny […]




