Taratra

Fahasalamana : Ireo fiarovana amin’ny aretina pesta

Mbola ao anatin’ny vanim-potoana mampirongatra ny aretina pesta isika eto Madagasikara ka ilaina hatrany ny fahamailoana. Nampahafantatra ireo fihetsika tsotra kanefa mila finiavana iadiana amin’ny voalavo mitondra ireo parasy mamindra ny aretina pesta ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Ilaina ny mamboly zavamaniry mandroaka voalavo, mampiasa dabam-pako, miady amin’ny doro tanety hisorohana ny […]

Ben’ny Tanànan’ Ampitatafika: « Ezaka atao ny fampiasana ny angovo miaro ny tontolo iainana »

Tontosa omaly, tetsy anivon’ny kaominina Ampitatafika ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny Ben’ny tanàna voafidy, Ramparaoelina Rado sy ny ben’ ny Tanàna mpisolo toerana, Randrianarivony Jocelyn Marinot. Natolotra nandritra izany koa ireo mpanolotsaina fito mianadahy, miara-miasa aminy. «Fanatsarana amin’izao fotoam-pitondrana fahefatra izao ny fanamafisam-piaraha-miasa avy any amin’ny Norvège», hoy ny ben’ny Tanàna, […]

INDRAY MIJERY

Mitohy ny fanofanana ireo mpisehatra amin’ny asa fitateram-bahoaka ho an’ny ATT ao Soarano. Misy ny fampahatsiahivana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, fanentanana momba ny familiana fiara ieren-doza, ady amin’ny kolikoly eny amin’ny arabe, aro loza amin’ny fifamoivoizana, fanajana bokin’andraikitra. Miisa 129 ireo miasa amin’ny zotra Ambohimangakely, Vakinan­ka­ratra, Bongolava ary zotra […]

Cité Universitaire: Hazavaina ny tanàna eny amin’ny R+1 Ankatso II

Napetraka eny amin’ny cité R+1 Ankatso II ny famatsiana herinaratra 160 KVA. Mahazaka tanteraka ny filan’ireo mpianatra mipetraka eny an-toerana io, raha ny fanazavan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika. Nanatanteraka ny asa ny ekipa teknikan’ny Jirama. Andrin-jiro miisa 11 no hapetaka eny an-toerana hitondra ny taribin-jiro hanazava ny […]

Any Atsimo: Mitsoa-ponenana noho ny mosary sy ny haintany ny mponina

Mivaivay ny haintany mitarika amin’ny tsy fahampian-tsakafo any atsimon’ny Nosy. Lasa marefo ny mponina ka voatery milaravinahitra amin’ny toeran-kafa. Ireo olona any Atsimo Andrefana lasa mifindra monina any Atsimo sy any Menabe mamboly sy manao fihariana. Mila vahaolana haingana mba tsy ho vesatry ny faritra ivahinianana indray. Voaporofon’ny fanadihadiana fandalinana […]