Vahaolana natolotry ny antoko MFM ny fanomezana lanja ny faritra ho masi-mandidy. « Tsy maintsy fidiana ny filohan’ny faritra ary haverina ho 28 ny faritra, araka ny tolokevitry ny « Mafana », fony fahavelon’ny mpanorina, Rakotonirina Manandafy », hoy ny mpikambana eo anivon’ny MFLM, Randrianindrina Ignace na « Ramasy ». […]
Taratra
Fikaroham-bahaolana : Hiverina hihaona ireo filoha telo mirahalahy
Nifanotrona tamin’ny filohan’ny Fanaovazana ny Repoblika, Randrianirina Michaël, mivady, niara-nivavaka tany Ankaramalaza ny alahady teo, ireo filoha teo aloha isany, Ravalomanana Marc sy Rajaonarimampianina Hery. Nidera ary nisaotra azy ireo tamin’ny fahatongavany ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël tamin’ ny lahateniny. « Efa nihaona izahay ireo tany Antananarivo. Mihaona eto […]
Tsy hita be ihany
Nahoraka tato ho ato ny vaovao mahakasika ny fampihavanana sy ny fiaraha-mitantana. Izany dia tafiditra amin’ny zotra apetraky ny fianakaviam-be iraisam-pirenena amin’i Madagasikara sy ny mpitondra. Tafiditra anatin’izany ny ho fananganana governemanta iraisana, ahitana ny ankolafin-kery rehetra. Hahazo ny anjarany ny mpanohana ny fitondrana izay naongan’ny fanavaozana ankehitriny. Efa […]
Fikaonandoham-pirenena : Ho ao anaty komity teknika ny tangalamena sy ny silamo
Efa ao anatin’ny fanomanana sy ny fikarakarana ny fikaonandoham-pirenena ny eo anivon’ny FFKM. Efa nahazo toerana hiasana izy ireo ary efa voarafitra koa ny komity teknika ho an’ny fikaonandoha. Efa mitsangana ny rafitry ny komity teknika hikarakara ny fikaonandoham-pirenena. Anisan’ny asan’ izy ireo ny famaritana ny paikady hitondrana ny fihaonana. […]
TSELATRA
Nahitana lehilahy iray, maty tao amin’ny rano manamorona ny tetezan’i Sabotsy Namehana, omaly maraina. Lehilahy efa nanaovana ombay mitady hatramin’ny Talata 28 jolay teo ity hita faty ity, raha ny filazan’ny olona teny amin’ny manodidina. Efa tonga nanao ny fanadihadiana teny an-toerana ny polisim-pirenena. Tontosa omaly tetsy amin’ny Kaomisaria Foibe […]





