“Tao anatin’ny dimy taona, mahatratra 150 miliara Ar ny vola azon’ny fanjakana nampiasaina tamin’ny fampandrosoana ny firenena toy izay nampisaina fotsiny any amin’ny kolikoly, tandrevaka, fanodinkodinam-bolam-panjakana”. Io ny kabarin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, tamin’ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny Paikadim-pirenena iadiana amin’ny kolikoly (SNL CC) 2025-2030, teny Ivandry, omaly. Hita tao […]
Taratra
Tsy efan’ny irery Aretin-dratsy sady mifindra mamotika fiarahamonina no manimba ny isam-batan’olona? Mbola misy sahy manohitra izany ve amin’izao fotoana izao? Fanontaniana kidaladala, saingy mahatonga saina. Tena izay toerana rehetra haleha, tsy miteny raha tsy vola! Manahirana be ilay izy fa na dia hanontany ora amin’ny famantaranora aza efa mila […]
Minisitry ny Raharaham-bahiny : “Aoka tsy hamboly korontana sy hampisara-bazana”
Naneho ny heviny sy nampita hafatra ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rafaravavitafika Rasata, omaly. Anisan’ny tena nitodihany ireo teratany malagasy milaravinahitra any ivelany. Tsy hadinony tamin’izany koa anefa ny nanafatrafatra ireo malagasy eto an-toerana. “Tokony hiara-kientana amin’ny asa fampandrosoana isika Malagasy rehetra, na aiza na aiza misy antsika. Aoka tsy hamboly […]
TSELATRA
Efa-dahy vao nivoaka ny fonja tratra nanendaka tao Mandritsara, ny alarobia 29 janoary teo. Tsy vaovao tamin’ilay voaroba avokoa ny endrik’ireo olon-dratsy ka noraisim-potsiny tany amin’ny trano fonenany izy ireo. Nivoaka ny fonja vao roa herinandro lasa ireo olona voasambotra ireto. Fito lahy mpanendaka sady mpanao hala-boty naiditra am-ponja vonjimaika […]
Ambohidahy Ankadindramamy : Fanafihan-jiolahy ravan’ny tompon-trano
Telo lahy nikasa hanafika tao amin’ny tokantrano iray tao amin’ny fokontany Ambohidahy Ankadindramamy, Antananarivo V, ny alin’ny 30 janoary teo, tamin’ny 8 ora alina. Nikasa hiditra antsokosoko tao amin’ny tokantrano iray, ren’ny tompon-trano ny fisian’ireo olon-dratsy. Nitsoka kiririoka avy hatrany ny lasibatra vantany nahatazana ireo mpandroba. Nikoropaka, tsy nahavanona ny […]