Taratra

voaroba ny 4 tapitrisa AR : Tsenam-barotra iray notafihan’ny jiolahy

Notafihan’ny andian-jiolahy miisa enina, ny tsenam-ba­rotra iray tetsy Ambato­lampy Antehiroka, ny harivan’ny alahady 2 aogositra 2026 tokony ho tamin’ny 6 ora hariva teo. Mbola teo am-pivarotana ny mpivarotra tao amin’ny tsena no tonga tampoka ireo jiolahy. Niditra tao an-tsena sy nanambana tamin’ny antsy, ny telo tamin’ireo jiolahy, raha ny fanazavan’ny […]

Sekoly voaroba tao Andakana : Mpiasa iray naiditra am-ponja

Niaiky heloka, nitoroka ny toerana nandevenany ny vata fitahirizam-bola « coffre-fort » ny mpiasa iray tao amin’ny sekoly niharan’ny fandrobana teny Andakana, distrikan’Am­bohidratrimo, ny 1 jolay teo. Efa nanao teti-dratsy hangalarana tao amin’io toeram-piasany io ity olona voasambotra ity. Nalainy ny solosaina niampy ny lelavola mitetina 10 tapitrisa Ar. Niroso tamin’ny fanadihadiana […]

Faha- 15 taon’ny Orange Money : Nomarihina tamina seho goavana

Tsy navela nandalo fotsiny. Nisy ny lanonana izay naka endrika fampisehoana goavana, nentina nanamarihana ny faha-15 taona nisian’ny Orange Money teto Ma­dagasikara. Notontosaina ny alin’ny zoma teo izany, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Mpa­nakanto nosafidiana tanatin’ny maro, be mpankafy sy araka izay nandrasan’ireo mpampiasa ny Orange Mo­ney, no nifandimby niaka-tsehatra. […]