Telo mianadahy nandray anjara tamin’ny fandrobana taxi-moto voasambotra ny zandary eo anivon’ny zana-tobim-paritra Mandrosoa Ivato, omaly. Renim-pianakaviana nilaza hitondra hazandrano teny Alakamisy Ambohidratrimo, ny 13 janoary lasa teo, tamin’ny 4 ora hariva. Nentin’ilay mpitondra taxi-moto izy. Niova tampoka teny am-pandehanana ny toerana naleha. Novain’ilay ramatoa ho any Fiakarana indray no […]
Taratra
Sempotry ny afon-tsaribao: efa mianaka niara-maty
Hita faty teo ambony fandriany ireo mpivady sy ny zanany roa vavy, afakomaly tamin’ny 8 ora alina. Maty sempotry ny afon-tsaribao nampiasain’izy ireo tao an-trano izy ireo, raha ny tatitra vonjimaika voaray. Raim-pianakaviana, 34 taona, sy ny vadiny, 32 taona, miaraka amin’ny zanany roa vavy, 7 sy 4 taona, hita […]
Filana amin’ny fiovan’ny toetr’andro: Mampiroborobo ny fiveloman’ny vahoaka ny fambolen-kazo
Ao anatin’ny fotoana fambolen-kazo tanteraka isika izao. Maro ny olona, fikambanana, sy ny maro hafa efa nahavita izany. Tanjona ny hamerenana ny ala may eto Madagasikara. Ao anatin’ny fotoanan’ny rotsakorana, tena tsara indrindra hambolena hazo isika izao. Ho an’ny eto afovoantany, efa maro ny fikambanana, ny fiangonana, ny orinasa ary […]
VAOVAO TAMBATRA
Hanampy amin’ny famokarana herinaratra amin’ny RIA ny tetikasa « Tana Medium Ring ». Hanangana zotra mpitatitra herinaratra 90KV, mirefy 193 km, ny tetikasa. Hamafisina ireo zotra efa misy ka hatsangana ny « sous-stations » miisa 8 ao Antsipolitra, Antsirabe I, Antanifotsy, Behenjy, Tana Sud II, Ambohijanaka, Tana Ouest II, ary Imerintsiatosika. Hiasa manomboka amin’ity […]
Tambajotra Soa: Tohana nanatsarana ny famokarana
Mikendry ny hampihenana ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara ny tetikasa Sanbonai. Miara-miombon’antoka amin’ny fikambanana Mpamboly frantsay sy fampandrosoana iraisam-pirenena (Afdi). Nahazo tohana ny tambajotra Soa, ka voakasiky ny tetikasa ny faritra Analamanga, Bongolava ary Itasy. Nambaran’ny filohan’ny tambajotra Soa, Razafimbololona Angéline, fa “paikady notratrarina ny vahaolana hiatrehina ny fiovan’ny toetr’andro. […]




