Anisan’ny vokatra vokarin’ny Alpha Ciment ny simenitra lafatra. Ho fanapariahana izany, nisy ny lalao ho an’ireo mpanjifa natao ny 15 ka hatramin’ny 31 desambra 2024 lasa iny. Notanterahina ny 24 janoary 2025 lasa teo, tetsy Analakely, ny fanolorana ny loka ho an’ireo tsara vintana. Niisa 15 ireo nisitraka izany ka […]
Taratra
Hampiakarana ny voka-bary: Nahazo ny masomboly safiotra i Vakinankaratra
Tafiditra ao anatin’ny paikady hampitomboana 1 tapitrisa taonina fanampiny ny voka-bary eto amintsika ny fampiasana ny masomboly safiotra. Nahazo ny anjarany i Vakinankaratra. Taorian’ny tany Alaotra, natolotra tamin’ny fomba ofisialy omaly, ny masomboly vary safiotra, ho an’ ny faritra Vakinankaratra. Miisa 70 ny kaoperativa tantsaha nahazo ny anjarany, miaraka amin’ny […]
INDRAY MIJERY
Nasiam-panavaozana ireo tahirin-kevitra entina manofana, manaraka ny toromarika avy amin’ny OMS, ny taona 2023. Mahakasika ny fandraisana an-tanana ny zaza tratry ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika antonony sy mahery vaika tsy misy fahasarotana izy io. Nezahina hifanaraka amin’ny zava-misy eto Madagasikara izany. Vita hatramin’ny 80% ny asa fanavaozana. Mamaramparana ny […]
Fahasalamana: Voazara ny andraikitra, omena sehatra ny eny ifotony
Naharitra telo andro ny fihaonan’ny tomponandraikitra misahana ny fahasalamana, niarahana tamin’ireo fitaleavana ao amin’ny foibe sy ny isam-paritra, notarihin’ny minisitra, Randriamanantany Zely. Tanjona ny hisian’ny fizarana andraikitra mazava eo amin’ireo mpiara-miasa rehetra hanasongadinana ny vokatra. Nivoitra tamin’izany ny tokony hanamafisana sy hanatsarana ny fitantanana ny sehatra ara-pahasalamana hiainga eny ifotony. […]
Tetikasa “D-Clic” : Tanora 11 nahavita fiofanana
Notontosaina, omaly, tetsy amin’ny QG Tanora Ankorondrano, ny lanonana fanomezana fitaovana sy mari-pankasitrahana ho an’ny tanora niatrika fiofanana momba ny asa niomerika, na ny tetikasa “D-Clic”. Miisa 11 mianadahy izy ireo no nisitraka izany teny an-toerana. Ny fitaovana niomerika toy ny ordinatera, ny finday … no nomena azy ireo tamin’izany. […]




