Taratra

Ady tany ao Nosy Be : Mpitsara sy mpisolovava voasaringotra

Mihenjan-droa ny tady eo amin’ny teratany vahiny voalaza ho tompon’ny tany misy fotodrafitrasa maromaro ao Nosy Be Hell-ville sy ny tambajotra voalaza ho mpisoloky nikasa hangalatra tany. Miara-miasa amin’ny mpitsara iray ao an-toerana sy naka mpisolovava tao ihany, namorona taratasy nahafahany mandray ny fitantanana ny orinasa rehetra anatin’io tany voalaza […]

Mpanakalo vola vahiny : Lehilahy iray notifirin’ny jiolahy teo Analakely

Maty notifirin’ny jiolahy ny raim-pianakaviana 59 taona, mpanakalo sy mpikirakira vola vahiny, omaly. Tompon’antoka ny jiolahy miisa fito tsy nisaron-tava. Jiolahy fito tsy nisaron-tava ireo nanafika tao amin’ny tsenan’ity raim-pianakaviana ity tokony ho tamin’ny 9 ora sy 30 mn maraina, tetsy amin’ny pavillon Analakely. Niditra tao an-tsena ireo jiolahy efatra […]

Sary hosodoko : Asa tanana mitondra anjara biriky amin’ny sehatry ny fanabeazana

Kolontsaina iray anisan’ny manana ny anjara toerany eo amin’ny sehatry ny fanabeazana ny hafatra entin’ny sa­ry hosodoko. An­tony iray mahatonga ny mpanao asa tanana manao iza­ny ary ny fanjifan’ ny olona azy ireny. Manabe sy mitaiza toe-po sy toe-panahy ho an’ny olon-drehetra ny haikanto, anisan’izany, ny hafatra entin’ny sary hosodoko. […]

Fiarovana ny tontolo iainana: Namboly hazo tamina velaran-tany 500 ha ny Foloalindahy

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy teny Tampoketsa, distrikan’Ankazobe, omaly, ny fambolen-kazon’ny minisiteran’ ny Foloalindahy. Nandray anjara tamin’izany ny miaramila avy amin’ireo rantsamangaikan’ny minisitera, ny avy amin’ny zandarimariam-pirenena, notronin’ny avy ao amin’ny polisim-pirenena, ny mpiasa sivily ary ny attaché de défense ao amin’ny masoivohon’i Etazonia. Nitarika izany ny minisitry ny Foloa­lindahy (MFA), […]

Orinasa Star: Tosika ho an’ny mpianatra mba hahomby

Ankoatra ny fihariana ara-toekarena, manana ny « An­draikitry ny orinasa amin’ny fiarahamonina » (RSE) ny Star. Anisan’izany ny fanampiana amin’ny fanabeazana ny ankizy anaty fianakaviana sahirana, nefa mahomby any am-pianarana. Misy ny fiaraha-miasany amin’ny Consulat de Monaco sy ny mpiara-miombon’antoka samihafa. Mitentina 10 tapitrisa Ar ny vatsim-pianarana natokana ho an’ny tanora miisa […]