Taratra

Fangatahan-tsodrano amin’ny fitantanana : Noraisin’ny FFKM ny ben’ny Tanàna Ramanantsoa Harilala

Noraisin’ireo filoham-piangonana eo anivon’ny FFKM, omaly, teny Andohalo, ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ramanantsoa Harilala. Nivoitra tamin’izany ny ho fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ka nifampizarana sy samy nanehoana hevitra ny momba ny andraikitra iombonana eo amin’ny fiangonana sy ny CUA. Nanterin’ny ben’ny Ta­nàna, Ramanantsoa Harilala, fa ilaina ny fitokisana an’ Andria­manitra […]

VAOVAO TAMBATRA

Mahaliana ny espaniola ny any Nosy Be. Nandray anjara tamin’ny hetsika « Salon Futur 2025 » tany Madrid Espagne ny Ofisim-paritry ny fizahantany Nosy Be (ORTNB), ny 22-26 janoary teo. Nanokatra lalana ho an’ny fizahantany eto Madagasikara ity hetsika ity, indrindra ny any Nosy Be. Isan’ireo firenena 15 mpandefa mpizahatany aty amintsika […]

Famarotana ny Airbus A340-300 : Handoavana ny trosan’ny Air Madagascar

« Anarenana ny olana ara-bolan’ny Air Madagasikara no antony namarotana ireo Airbus miisa roa A340-300 », hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Fita­te­rana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramon­javelo Valery, omaly. Tafakatra hatrany amin’ny 100 tapitrisa dolara (500 miliara Ar) ny trosan’ny kaompania amin’ireo mpampisambo-bola, ka nahatonga izao fanapahan-kevitra izao. Anke­hitriny, napetraka eny […]

Serasera: Fifaninanana dokambarotra

Tsy mitsahatra mivoatra ny tontolon’ny serasera. Miantraika any amin’ny sehatry ny dokambarotra koa ny fihazakazaky ny niomerika. Hatao ny 14 febroary 2025 ho avy izao ao amin’ny IFM Analakely ny « Alin’ny dokambarotra sy ny famoronana », andiany voalohany. Hetsika mifantoka amin’ny famoahana ny vokatry ny fifaninanana miompana amin’ny famokarana sy famoronana […]

Jirama: Tokantrano 200 000 hovatsiana jiro vaovao

Misy ny vina lavitr’ezaka hampitomboana ny vokatra herinaratra. Hitarina, noho izany, ny tokantrano misitraka herinaratra manerana ny faritra. Manohana ny tetikasa Lead ny Banky iraisam-pirenena. Tanjona ny hampitomboana ny fisitrahana herinaratra eto Mada­gasikara. Nampahafan­tarina, omaly, ny fahazoana fiarabe miisa 13, haparitaka any amin’ny faritra, hiantoka ny fitaterana ny fitaovana sy […]