Noraisin’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Anosy, omaly, ireo iraka avy amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI). Nivoitra tamin’izany ny fifanakalozana eo amin’ny roa tonta amin’ny hanohizana ny ezaka hiadiana amin’ny kolikoly sy ny fangalarana tany. Voatsiahy tamin’ izany ny fiaraha-miasan’ny MFFT amin’ireo rafitra samihafa, toy […]
Taratra
INDRAY MIJERY
Nisy ny hetsika fampahafantarana sy fanentanana momba ny ady amin’ny famarinana olombelona. Notanterahin’ny ekipan’ny BNLTEH ho an’ny fikambanana Mitsangana Fa Viavy (MFV) any atsimon’ny Nosy izany. Naneho ny fahavononany hitondra ny anjara birikiny ary hanambatra ny hery hiadiana amin’ny famarinana olombelona ity fikambanana ity rehefa nahazo ny tsara ho fantatra […]
FAMPIANARANA AMBONY: Mifototra amin’ny laharam-pahamehana dimy
Nihaona tamin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola ny minisitra, Pr Chaminah Loulla. Natolotra nandritra izany ireo vina sy tetikasan’ny minisitera izay an-dalam-panatanterahana sy mbola ho avy. Tanjona ny fampivelarana ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ho tena fitaovana fampandrosoana ara-toekarena sy sosialy. Miompana amin’ny laharam-pahamehana dimy ireo vina. Anisan’izany ny […]
Toetr’andro : Miha manakaiky ilay andro ratsy
Omaly atoandro, tany amin’ny 2 000 Km atsinanan’ny Tanjona Masoala no misy ny foiben’ilay faritra andro ratsy ao amin’ny ranomasimbe Indianina. Tsy hisy fiantraikany amin’ny toetry ny andro eto Madagasikara izy hatramin’ny fiandohan’ny herinandro manaraka, raha ny tomban’ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby. Manara-maso ny fizotrany hatrany kosa […]
Youthconnekt Africa 2025 : Sehatra hampisongadinana ny lentan’ny tanora malagasy
Hampihetsika ireo fihariana maro ny fandraisana ny “Youthconnekt Africa 2025”. Fotoana hisokafana amina tsenam-barotra samihafa. Hiteraka fampidirana vola vahiny ho an’i Madagasikara ity fihaonambe ity. Fotoana fanararaotra ho an’ireo tanora. Hotanterahina eto Madagasikara ny 26 ka hatramin’ny 30 novambra izao ny “Youthconnekt Africa 2025”. Nisongadina izany nandritra ny fampahafantarana nataon’ny […]