Hentitra sy nahitsy ny eo anivon’ny fitondram-panjakana. Mbola nanamafy ny minisitra, Volamiranty Mara Dona fa tsy manaiky ny tsy fanarahan-dalàna. “Hijoro sy handray ny andraikitra ny governemanta ary tsy hamela ny fitiavan-tena sy ady seza anjaka eto”, hoy izy tany Fianarantsoa, omaly. Nohitsiny fa mihatra amin’ny rehetra tsy ankanavaka ny […]
Taratra
TSELATRA
Nopotehan’ny fokonolona ny entana tao amin’ ny trano fivarotam-panafody iray ao Foulpointe, omaly. Tsy hita andro vitsy lasa ny ankizilahy 14 taona rehefa voalaza fa nangalatra lelavola 4 tapitrisa Ar. Niasa tao amin’io lehilahy mpivarotra fanafody io ity farany. Nikaroka ilay zaza anefa ny fokonolona ka tonga tao amin’io tranon’ilay […]
Toamasina : Tovolahikely iray maty natelin’ny ranomasina
Tovolahikely iray tokony ho 11 taona teo ho eo, maty natelin’ny ranomasina tany Toamasina, omaly. Voalaza fa nandeha nilomano lalindalina sy lavitra ireo namany izy ity ka natelin’ny rano tampoka. Niakatra eo ambony arofanin’ny tetezana eo amin’ny hopitalibe ireo andiana tovolahikely maromaro. Avy eo mitsoraka, tonga dia anatin’ny ranomamy manamorona […]
Fernand Cello : Naiditra am-ponja eny Antanimora
Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora, omaly hariva, i Fernand Cello, mandra-piandry ny fitsarana azy. Niakatra fampanoavana tetsy anivon’ny fitsarana Anosy izy, 24 ora taorian’ny nisamborana azy. Vesatra anenjehana azy ny resaka fisolokiana sy fanelezana vaovao tsy marina, raha ny fanazavana voaray. Nosamborin’ny zandary etsy Anosizato izy, afakomaly alina, raha ny […]
Nandroba 4 tapitrisa Ar : Telo lahy nanafika Cash point nalefa eny Tsiafahy
Naiditra eny Tsiafahy taorian’ny fampanoavana ireo telo lahy voasaringotra tamin’ny fanafihana Cash point teny Ambohibao Antehiroka. Niatrika fampanoavana, omaly, voatazona vonjimaika eny amin’ny fonjaben’ny Tsiafahy ireo telo lahy tompon’atoka tamin’ny fanafihana Cash point. Nitrangana fanafihana nataona jiolahy efa-dahy tao Antanetibe, kaominina Ambohibao Antehiroka, ny zoma 24 janoary teo. Nandrasan’ireo olon-dratsy […]




