Akora organika avy amin’ny zavamaniry ampiasaina amin’ny sakafo ny episy. Ataon’ny olona hanomezan-tsiro ny sakafo sy natao hitsaboana sy hiarovana ny karazana aretina mety hahazo ny vatana ny fihinana azy ireny. Maro ny karazana episy ary ahitana izany avokoa ny faritra sy ny firenena maro. Misy ny nalaina avy amin’ny […]
Taratra
DRFC Antanimora: Polisy sy zandary miatrika fiofanana
Polisim-pirenena miisa 10 sy zandary miisa 10 no miatrika fiofanana momba ny « renseignement Opérationnel» mandritra ny dimy andro eny amin’ny sampandraharaha misahana ny fikarohana sy fiofanana mitohy eo anivon’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka na DRFC Antanimora. Nanomboka ny 27 janoary 2025 ny fiofanana narahin’ireo mpiofana. Fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka sy ny […]
Ben’ny tanàna: Kaominina 12, tsy maintsy averina ny fifidianana
Miisa 12 ireo kaominina voatery haverina ny fifidianana Ben’ny Tanàna ao aminy. Voalohany, ny kianjandrakefina, ditrikan’Ambositra, faritra Fianarantsoa. Faharoa, ny any amin’ny kaominina kalafotsy, disitrikan’Ikongo, faritra Fianarantsoa. Fahatelo ny kaominina Andohanilakaka, distrikan’Ihosy, faritra Fianarantsoa. Fahaefatra, ny kaominina Anosivelo, distrikan’i Farafangana, faritra Fianarantsoa. Fahadimy, ny kaominina Mahaly, distrikan’ Amboasary Atsimo, faritra […]
Zava-mahadomelina : Rongony valo gony saron’ny zandary
Narian’ireo olon-dratsy teny an-dalana ny rongony valo gony notanteriny avy any Andakalaka, kaominina Marovoay, ny alahady 26 janoary teo. Efa-dahy nitondra entana tamin’ny gony maromaro nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana. Nampiahiahy tanteraka ny fihetsik’ireo vatan-dehilahy ireo teo anelanelan’Antafiambazaha sy Maevarano. Nandositra avy hatrany ireo efatra mirahalahy vantany nahatazana ny mpitandro filaminana […]
Ahina ho matin’ny pesta: Telo mianaka namoy ny ainy
Ankizilahy voalaza fa folaka namoy ny ainy. Tsy tana koa anefa ny ain’ny rainy, afakomaly, ary vao maty omaly ny reniny. Ahina ho matin’ny valanaretina pesta izy mianakavy. Nisehoana tranga hafahafa tao Ambohiperanana, Soanitohizana, fokontany Amberobe, kaominina Andranomanelatra, distrikan’Antsirabe II, ny 24 janoary lasa teo. Namoy ny ainy ny ankizilahy […]




