Eny amin’ny CEG, 36% ny tahan’ny mpianatra tsy niverina an-tsekoly intsony manomboka eo amin’ny T6 ka hatramin’ny T9, araka ny fanadihadiana nataon’ny taona 2024 teny anivon’ny sekoly 464 anatin’ny tetikasa Score. Mahatratra 92 isaky ny kilasy ny mpianatra any Androy izay manohitra ny fenitra nepetraky ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ka tsy […]
Taratra
Fahatapahan’ny taolana : Mila fitsaboana haingana
Antony iray ahatongavan’ny olona eny amin’ny Sampana vonjitaitra matetika ny fahatapahan’ny taolana vokatry ny anton-javatra samihafa. Anisan’izany ny lozam-pifamoivoizana na ny fianjerana na ny dona mafy mahazo am-perinasa, na eny am-panaovana fanatanjahantena…. Miseho amin’ny alalan’ny fanaintainana mafy na fiovan’ny endriky ny faritra tapaka mihitsy ny fisehon’ny fahatapahana. Mety ho mangana ilay […]
Kaominina Talata Ampano: Nitondra tohana ny fanjakana
Nitondra ny voin-kava-mahatratra avy amin’ny fitondram-panjakana ho an’ireo olona traboina any amin’ny fokontany Tanandava, kaominina Talata Ampano, distrikan’i Vohibato, ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie. Trano 11 no may tao amin’ity fokontany ity. Maro ireo olona traboina, rava fananana ary tena lasa miainga amin’ny tsy misy mihitsy. […]
« Caisse école » : Mangarahara ny fitantanana, tonga ara-potoana ny vola
Efatra taona lasa, tsy nisy ny fangaraharana ny fitantanana ny “caisse école”. Tohana omenan’ny fanjakana ny sekoly ary kirakirain’ny Feffi izany. Tara lava rahateo ny fahatongavany eny anivon’ny sekoly. Efa nihatsara ny zava-misy ho an’ity taom-pianarana ity. Tonga ara-potoana ny vola sady mangarahara ny fitantanana azy. Nitombo ny tahan’ny fangaraharan’ny […]
Vovonana Firaisankina :”Aoka tsy hanilika andraikitra…”
Nambaran’ny filoha nasionalin’ny antoko HVM, Rakotovao Rivo, eo anivon’ny Vovonana Firaisankina fa tonga amin’izao ny firenena noho ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra. “Ailika amin’ny fanoherana hatrany ny tsy fahombiazan’ny mpitondra eo amin’ny fitantanana”, hoy izy, omaly, teny Faravohitra. Notanisainy tamin’izany ireo zava-misy sy ny olana amin’izao fotoana izao. Anisan’ izany ny […]




