Mbola hiala nenina. Nambaran’ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, omaly fa tsy tokony ho kivy ny mpanara-dia azy ireo manoloana ny voka-pifidianana teto Antananarivo Renivohitra sy ny tany amin’ny faritra. “Tsy mbola tapitra ny lalana fa mbola afaka mametraka fitoriana fandravana didy isika manoloana ny voka-pifidianana hosoka ka hampiakatra ny […]
Taratra
Fahanginana hafahafa
Inona no zava-miseho? Mahagaga fa dia mangina tanteraka ny tanàna. Tsy andrenesam-peo ny politika. Na mpanohitra na mpanohana fitondrana dia tsy hita be ihany. Izay mba hangatahana fihaonana dia misafidy ny manakombom-bava. Izy angatahina hiresaka an-gazety indray no tezitra. Inona marina no zava-miseho. Ny azo ambara aloha, hita ho […]
Rasoamaromaka Hery : “Azo atao tsara ny mitondra ny tanànan’Antananarivo”
Nilaza ny heviny momba an’Antananarivo Renivohitra ny governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery. Nambarany fa ilaina hatrany ny fifampiresahana eo amin’ireo mpanolotsaina. “Azo atao tsara ny mitondra ny tanànan’ Antananarivo”, hoy ny fanehoan-kevitry ny sekretera nasionalin’ny antoko TGV sady governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery, omaly, ny amin’ny fitantanana an’Antananarivo Renivohitra manoloana […]
TSELATRA
Kamiao nitondra entana nivadika tao Ankidona, distrikan’i Betioky Atsimo, omaly. Tsy nisy aina nafoy saingy nentin’ny rano avokoa ny entana rehetra tao amin’ilay kamiao. Fatin-dehilahy nisy namono hitan’ny fokonolona tao Ambodimanga Benavony, kaominina Ampasimbe, distrikan’i Brickaville, ny 20 janoary teo. Nahitana ratra ny vatan’io namoy ny ainy io. Voafira antsy […]
Anjozorobe : Takalonaina efatra maty notifirin’ny dahalo
Notifirin’ireo dahalo mpaka an-keriny afakomaly, ireo vehivavy efatra takalonaina nalain’izy ireo tao amin’ny tanànan’Ambohibary Vohilena, ny 12 desambra lasa teo. Nentin’ireo olon-dratsy ireo vehivavy, izay 16 taona ny zandriny indrindra raha toa ka 40 taona ny zokiny. Nitaky lelavola 20 tapitrisa Ar isanisany ho sandan’ny famotsorana ireo lasibatra ny dahalo. […]




