Taratra

Mihodinkodina am-pitoerana

  Anatin’ny vanim-potoana hanomanana sy hiomanana amin’ny fifidianana ho solombavambahoaka ny Malagasy ankehitriny. Andaniny, amperinasa tanteraka ny mpikarakara toy ny birao mahaleo-tena momba ny fifidianana na ny Ceni. Efa mamaramparana ny mpamita lisi-pifidianana. Samy midehadeha kely eny amin’ny tambajotran-tserana toy ny facebook ny isam-paritra fa nahatomombana ny iraka nankinina taminy. […]

Fifanakalozana ara-barotra aty Afrika : manomana ny paikady mahomby i Madagasikara

Manomana ny fidirana ao amin’ny ZLE aty amin’ny kaontinanta Afrikanina i Madagasikara. Hofaritana ireo paikady nasionaly enti-manatanteraka ny fifanarahana. Nampahafantarina tamin’ ny fomba ofisialy ny ta­lata teo, teny Anosy ny tetikasa PA-ZLECAF izay hamaritra sy hanohana ireo paikady nasionaly ho an’ny tombontsoa eo amin’ny fifanakalozana malalaka ara-barotry ny kaontinanta afrikanina. Hi­andraikitra ny […]

67 ha : Vehivavy ny iray amin’ireo jiolahy tratra teo am-panendahana

Saron’ny polisin’ny UIR Tsaralalana teny 67 ha, afakomaly ireo jiolahy telo niaraka tamina vehivavy iray tompon’ antoka tamina fanendahana. Tokony ho tamin’ny 2 ora ma­raina tamin’io fotoana io, nifanehatra tamin’ireo polisy na­nao fisafoana nivoaka avy ana­ty elakela-trano ireto jiolahy ireto. Lehilahy iray nitondra moto hamonjy fodiana no nosakanan’izy efatra mianadahy […]

Ady lova tao Vatomandry: hanaovana famotorana indray i Jasmin

Mbola tsy afaka am-bavan’ny rehetra ilay vonoan’olona feno habibiana nitranga tao Vatomandry. Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny fikarohana ady heloka bevava eo anivon’ny polisim-pirenena Atsinanana, ny kaomisera Rajaobelina Herizo, taorian’ny fampidirana am-ponja ireo telo lahy namono nahafaty ilay renim-pianakaviana tao amin’ny fokontany Bemasoandro, ny alin’ny 4 febroary 2024 teo, tsy hijanona […]

Fanondranana harem-pirenena: Sokatra roa valizy sarona tetsy Tsarasaotra

Sokatra miisa 147 nokasaina hamidy nogiazan’ny zandary, teny Tsarasaotra, omaly. Ifampitadiavana ireo tompon’antoka. Zana-tsokatra miisa 147 azon’ny zandary teny Tsarasaotra, mihazo ny lalam-baovao mampitohy an’ Ivato, omaly maraina. Na­haray loharanom-baovao avy tamin’ny tsara sitrapo ny zandary fa misy ny fikasana hivarotra sokatra teo amin’io toerana io. Nidina ifotony nanamarina ny […]