Hanatanteraka fifampizarana sy fanazaran-tena ho an’ny judokas malagasy, vehivavy, Rasoanaivo Razafy Laura, Malagasy mpikatroka sangany eto Madagasikara sy manerana an’i Afrika. Ny alatsinainy 23 desambra izao, eny amin’ny Dojo Playbox Analamahitsy, no hanaovana ity fanazaran-tena mitondra ny anarana hoe “Female training” ity. Hampiavaka io fotoana io ny fampandraisana anjara an’i […]
Taratra
FIGN : Nahavita ny fiofanany ny vondrona miady amin’ny dahalo
Notontosaina tany Langaina, omaly, ny famaranana ny fiofanan’ny Vondrona manokana miady amin’ny asan-dahalo, andiany faha 36 (Usad XXXVI). Nanaraka fiofanana tao amin’ny ivontoeram-piofanan’ny zandarimariam-pirenena, ao Ambatolampy, izy ireo nanomboka ny 12 novambra 2024 teo. Nanomboka indray kosa ny fanofanana ireo hery manokana (force spéciale) naorina ao amin’ny Hery vonjy taitran’ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Miditra amin’ny fandrakofana godirao ny lalana eo amin’ny fiolanana Anosibe Namontana hatrany Soanierana. Mirefy 2,11 km ity ampahan-dalana ity, ataon’ny orinasa Colas. Nohatsaraina ny endriny sady nohamafisina, entina hanamora ny fifamoivoizana eny an-toerana. Tohanan’ny fiaraha-miasa amerikanina, Usaid, ny « Solar Hub », foibe herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro, napetraka any Ambohimandroso Manakara. […]
Tandavanala CAZ sy Cofav : Hamafisina ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro
Natao, omaly, teto Antananarivo, ny fivorian’ny vaomiera mpandrindra (CP) mahakasika ny tetikasa tontolo voajanahary lovain-jafy any amin’ny tapany Atsinanan’i Madagasikara. Famatsiam-bola avy amin’ny Tahirimbola maitso ho an’ny toetr’andro (FVC). Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), ny Birao nasionaly mahakasika ny fiovan’ny toetr’andro ary ny Redd+. […]
FIKIRAKIRANA VOLA: Miara-miasa ny Smmec sy ny Orange money
Azo atao ny mandray vola avy any ivelany, amin’ny alalan’ny banky Sipem, miara-miasa amin’ny RIA sy ny Global Transfer. Miara-miombon’antoka amin’ny Orange money koa ny Smmec, miampy ny toerana fifanakalozam-bola miisa 130 manerana ny Nosy. Misy fanomezan’antoka ho an’ny mpanjifa, ary kely ny zanabola. Maromaro ny tranombarotra sy orinasa miara-miombon’antoka […]