Maty am-perinasa, lehilahy roa simba tanteraka ny vatany nipoahan’ny entona «gaz autogène» tetsy Nanisana, omaly tolakandro. Voa mafy teo amin’ny tongony ny fahatelo ka nentina eny amin’ny hopitaly. Tapa-tongotra sady kila ny iray raha toa ka simba tanteraka ny namany, niara-maty ireo roa lahy nipoahan’ny entona “gaz autogène” tao amin’ny […]
Taratra
Manitriniaina Steve Princy: “Maro karazana ireo kiraro filalaovana baolina kitra ankehitriny”
Tsy mitsahatra ny mivoatra ny taranja baolina kitra, amin’izao fotoana izao. Manana ny fitaovana mampiavaka azy anefa ny sehatra tsirairay amin’izany. Anisan’izany ny kiraro na “godasse”. Maro amin’ireo mpankafy sy mpilalao baolina kitra, eto an-toerana, no mbola tsy mahafantatra ireo karazana kiraro “godasse”, amin’izao fotoana izao. Manazava ny resaka mahakasika […]
Ady tany: lehilahy iray namoy ny ainy, efatra naratra
Lehilahy maty vokatry ny fifampikasihan-tanana nateraky ny ady tany ary efatra naratra tao Kianjamiarina, kaominina Tsinjoarivo, afakomaly. Fianakaviana roa samihafa ity nitrangana fifanolanana momba ny lova ity. Nanomboka tamin’ny taona 2022 izy ireo no nifanditra teny anivon’ny fitsarana. Nahazo rariny ny andaniny saingy tsy nanaiky ka nanenjana ny ankilany. Nifandrihoriho […]
Noho ny aretina nitaiza azy: lehilahy hita faty nihantona tamin’ny tady
Lehilahy iray hita faty nihantona tao an-tranony, ao Andavadopy, fokontany Ambohipanasina, kaominina ambanivohitr’Anosiala, distrika Ambohidratrimo, omaly tolakandro tamin’ny 1 ora. Naharay antso avy amin’ny sefo fokontany Ambohipanasina ny lehiben’ny tobim-paritry ny zandarimaria momba ny fisian’ity fatin’olona mihantona amin’ny tady ity. Nidina haingana teny an-toerana ny zandary niaraka tamin’ny dokotera avy […]
Sombim-baovao
Manana hetsika lehibe iray, amin’ity taona 2025 ity, ny taranja bisikileta. Hampiantrano ny lalaon’ny ranomasimbe Indianina ny federasiona, ny volana aogositra ho avy io, raha tsy misy ny fiovana. Tsy mbola fantatra mazava anefa ny mpilalao hanao izany. Araka ny fikarohana natao, hiverina hanao fanazarantena ao amin’ny Kianja Rabemananjara Mahajanga, […]




