Miditra amin’ny fandrakofana godirao ny lalana eo amin’ny fiolanana Anosibe Namontana hatrany Soanierana. Mirefy 2,11 km ity ampahan-dalana ity, ataon’ny orinasa Colas. Nohatsaraina ny endriny sady nohamafisina, entina hanamora ny fifamoivoizana eny an-toerana. Tohanan’ny fiaraha-miasa amerikanina, Usaid, ny « Solar Hub », foibe herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro, napetraka any Ambohimandroso Manakara. […]
Taratra
Tandavanala CAZ sy Cofav : Hamafisina ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro
Natao, omaly, teto Antananarivo, ny fivorian’ny vaomiera mpandrindra (CP) mahakasika ny tetikasa tontolo voajanahary lovain-jafy any amin’ny tapany Atsinanan’i Madagasikara. Famatsiam-bola avy amin’ny Tahirimbola maitso ho an’ny toetr’andro (FVC). Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), ny Birao nasionaly mahakasika ny fiovan’ny toetr’andro ary ny Redd+. […]
FIKIRAKIRANA VOLA: Miara-miasa ny Smmec sy ny Orange money
Azo atao ny mandray vola avy any ivelany, amin’ny alalan’ny banky Sipem, miara-miasa amin’ny RIA sy ny Global Transfer. Miara-miombon’antoka amin’ny Orange money koa ny Smmec, miampy ny toerana fifanakalozam-bola miisa 130 manerana ny Nosy. Misy fanomezan’antoka ho an’ny mpanjifa, ary kely ny zanabola. Maromaro ny tranombarotra sy orinasa miara-miombon’antoka […]
Ceo Summit 2024 : Hanolotra tolo-kevitra hanatsarana ny fifanakalozana
Tanterahina eto Madagasikara, mandritra ny roa andro, ny Ceo Summit. Tanjon’ny mpikarakara ny famaritana ireo vina hanatsarana ny sehatry ny tsena sy ny fifandraisana ara-toekarena ary ny fifanakalozana ara-barotra eto anivon’ny ranomasimbe Indianina. Ambohi-pihaonan’ireo mpandraharaha mitady fanavaozana ho an’ny hoavin’ny toekarena ny fihaonana an-tampon’ny mpitantana orinasa. Nanomboka omaly ka haharitra […]
INDRAY MIJERY
Distrika 51 no hanaovana ezaka fanaovam- baksiny manokana. Manentana ny rehetra, indrindra ireo ray aman-dreny, hitondra ny zaza 0-59 volana hatao vaksiny ny mpiasan’ny fahasalamana. Nanomboka ny 5 desambra lasa teo ka hatramin’ny alatsinainy ho avy izao ny hetsika. Ny vaksiny ihany no fomba tsara indrindra hiarovana ny ankizy amin’ny […]