Mpandeha an-tongotra namoy ny ainy voatrongin’ny fiara teny Anosizato Atsinanana, ny alin’ny faran’ny taona teo. Fiara an’olon-tsotra nikasa hamonjy fodiana any Ankaditany nandeha mafy. Tsy fantatra mazava ny nahazo ny mpamily. Nandeha mafy loatra ny fiara nentiny ka tsy voafehy ny familiana. Lehilahy iray voafaoka teo no ho eo. Niptika […]
Taratra
Zava-mahadomelina : Rongony 600 kg nogiazana
Rongony 600 kg nodorana teo anatrehan’ny mpitandro filaminana sy ny tomponandraikitra voakasika tao Antsohihy, ny 31 desambra lasa teo. Manoloana ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina anatin’io distrika io, nanao hetsika manokana hamongorana ny mpanamparitaka rongony ny zandary. Gony maromaro tra-tehaky ny ekipa tarihin’ny komandin’ny vondron-tobim-paritra Antsohihy. Nogiazana avy hatrany ireo entana ireo […]
Mpanao trafikn-kazo tratra : Zandary telo sy sivily sivy migadra
Naiditra am-ponja ny 12 mianadahy tamin’ireo 14 voarohirohy ho mpanao trafikan-kazo. zandary ny telo ka kolonely ny iray. Miampy sivily miisa sivy mianadahy izany. Natolotra ny fampanoavana eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany, ao Toamasina, ny olona miisa 14 mianadahy, ny talata 31 desambra 2024. Voasaringotra tamin’ny fahatrarana hazo voamboana tsy […]
Taranja judo: Namarana ny maha sokajy Junior azy i Laura
Niavaka ity taona 2024 ity ho an-dRasoanaivo Razafy Laura, Malagasy mpiangaly ny taranja Judo. Namarana ny maha sokajy Junior (U21) azy izy tamin’ity ary tena nanoratra tantara teo amin’io sokajy io teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. 3 taona izay no nanaovany Judo teo amin’ny sokajy Junior ary nitanany ny laharana voalohany […]
SOMBIM-BAOVAO
Tsy mbola hivoaka amin’ity faran’ny taona ity ny anaran’ny mpanazatra ny Barea de Madagascar, sokajy “A”. Araka ny angom-baovao, mbola ao anatin’ny fifantenana ireo mahafeno ny fepetra hitondra ny ekipam-pirenena malagasy ny tomponandraikitra eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), amin’izao fotoana izao. Tsy mbola voatendry ny tale teknika nasionaly […]




