Antoka lehibe hampandrosoana an’i Madagasikara ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fanovana ara-toekarena. Nitsidika ny orinasa Star, nandritra ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny faritra (JIR) andiany faha-10 tany Antsiranana, ny herinandro teo, ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC), Ralambofiringa David, sy ny minisitry ny […]
Taratra
Jery todika
Fanaovana jery todika na tombana ny famaranan-taona toy izao: aiza ho aiza na inona avy no vita, inona no mbola hatao na tsy maintsy atrehina… ? Na ahoana na ahoana, ny tsy vita hatrany no betsaka no ho izay vita na natomboka. Lanja miakatra ny fiainana. Tsy vitan’izany, be […]
Seranam-piaramanidina Ivato : Volamena 53,73 kg saika haondrana antsokosoko sarona
Saika haondrana tamin’ny alalan’ny taratasy hosoka ireo volamena 53,73 kilao tratra teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny alatsinainy teo. Taratasy tsy tena izy no nampiasaina saika hitondrana izany any ivelany ka noraisim-potsiny ilay nikasa hamoaka ireo volamena. Mpiasam-panjakana iray avy ao amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny no voalaza fa tompon’ antoka tamin’ny fanomezan-dalana […]
TSELATRA
Notanana eny Tsiafahy, afakomaly, ny lehilahy nanolana ny zanany vavy 16 taona tao Sabotsy Namehana. Nanamparany ny filan-dratsiny io zanany naterany io ary norahonany tsy hiteny tamin’ny manodidina momba ny fanararaotana ara-nofo nahazo azy. Lelavola 40 tapitrisa Ar lasan’ny jiolahy roa lahy nitam-piadana, tao Ambolomadinika, ny alatsinainy 23 desambra teo. […]
Kelivaho Betroka: Vehivavy naratra mafy notifirin’ny dahalo
Tsy vitan’ny mangalatra omby fa manafika toeram-pivarotana ny dahalo amin’iny tapany atsimo iny. Niharan’ny fanafihan-dahalo nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika ny renim-pianakaviana iray mpivarotra, monina ao amin’ny fokontany Kelivaho distrikan’i Betroka, ny 24 desambra 2024 vao maraimbe. Araka ny tatitra voaray avy amina loharanom-baovao iray ao an-toerana, efa niandry teny ivelan’ […]




