Taratra

Voadonan’ny taksiborosy : Mpandeha an-tongotra maty

Maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana iray 55 taona voafaokan’ny taksiborosy, tao Ambodiamontana fokontany Marosoka, kaominina ambanivohitra Analavory RN 43 Pk 005+ 700, ny 23 desambra 2024 tolakandro teo. Taksiborosy marika mazda, mizotra ho any Ampefy no nandona ity raim-pianakaviana ity. Niampita tampoka tamin’ny arabe izy ka tsy afa-niala intsony ilay […]

Toamasina : Manjaka ny asan-jiolahy

Jiolahy miisa folo niditra an-keriny tao amin’ny mpivarotra, tao Mangarano parisela 11/47, tsy lavitry ny foiben-toeranan’ ny orinasa mpanao asa vaventy, ny 20 desambra lasa teo. Ho an’ny andro voalohany, tsy tontosa izany noho ny fisian’ny vatan-dehilahy miandry amin’ny alina. Tratran’ny be noho vitsy sy ny fitaovana teny am-pelatanan’ny jiolahy […]

Fanondranana harem-pirenena : Zana-tsokatra 112 saron’ny zandary

Fiara roa samihafa, nahatraran’ny mpitandro filaminana zana-tsokatra an-jatony, teny Antehiroka, ny 24 desambra teo. Hiakatra fampanoavana anio ireo voarohirohy. Nogiazan’ny zandarimaria ireo zana-tsokatra mitotaly 112 nasitrika tao anaty fiara miisa roa teny Antehiroka, afakomaly. Nanao fisavana tampoka nandritra ny alin’ny 24 desambra ny mpitandro filaminana. Voasakana ny fiara iray voalohany. […]

Nitrandraka vato sarobidy : Enin-dahy maty sempotry ny entona

Enin-dahy sempotry ny entona tao anatin’ny lavaka fitrandrahana vato tao amin’ny kaominina Ambohimanjaka, distrikan’Ambositra, ny 24 desambra teo. Namoy ny ainy avokoa ireo enin-dahy, mpitrandraka vato sarobidy sempotry ny entona tao amin’ny toeram-pitrandrahana Ambatomena, fokontany Fie­renantsoa, kaominina Ambo­himanjaka, distrikan’Ambo­sitra, afa­komaly. Nanao ny asa mahazatra azy, nidina anatin’ny lavaka am-polony metatra […]