Taratra

“Challenge du Sud Est” : Nisongadina Amoron’i Mania sy i Matsiatra Ambony

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Manakara, ny fifaninanana “Challenge du Sud Est”, taranja karaté. Nahomby ny hetsika, nahafahana nampivondrona ireo karateka tany amin’ny ligy Atsimo, nanomboka teo Amoron’i Mania hatrany Fitovinany. « Ligy 3 no niara-nisalahy nikarakara ny fifaninanana ka tena nahavelombolo tokoa », araka ny nambaran’ny filohan’ny federasiona, Ratefinanahary Emile, […]

Baolina kitra ho an’olona dimy : Hampiantrano ny “Mondial 2025” i Madagasikara

Sambany teo amin’ny tantara! Handray anjara amin’ny fifaninanana maneran-tany, hatao eto an-tanindrazana, amin’ny taranja baolina kitra lalaovin’olona dimy, i Madagasikara. Tsy mbola fantatra ny daty. Notontosaina teny amin’ny orinasa Yas An­draharo, omaly, ny va­landresaka niarahana tamin’ny mpanao gazety, niresahana manokana mahakasika ny baolina lalaovin’olona dimy “Foot à 5”. Noresahina tao […]

Niparitaka ny lohany : Vazaha frantsay maty nitifi-tena

Niparitaka hatreny amin’ny valin-drihana ny atidohan’ny teratany frantsay iray maty nitifi-tena tao an-tranony, ao amin’ny fokontany Motombe/Tanambao, kaominina ambanivohitr’i Betsinjaka, Toliara II, ny 20 desambra 2024 teo… Teratany frantsay 84 taona ity maty nitifi-tena ta­min’ ny basim-borona misy vavany roa monina ao amin’ny fokontany Motombe/Tanam­bao, Toliara II, ity. Hita faty […]

Governora Rasoamaromaka Hery: “Tsy fitadiavana fahamarinan-toerana politika izao …”

“Anton’ny nitakiana sy nangatahana ny vahoaka ma­lagasy tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna hoe tohano ny kandidà manohana ny fitondrana: tsy mitady fahamarin-toerana politika intsony izao, fa efa mitady fampandrosoana”. Io ny fijerin’ny governoran’ny faritra Analamanga sady sekretera nasionalin’ny TGV, Rasoamaromaka Hery, tao amin’ny haino aman-jery tsy miankina iray, tamin’ny faran’ny herinandro […]

Voka-pifidianana : Nisy nisandoka ny tranonkalan’ny Ceni

Namoaka fanambarana ofisialy ny tomponandraikitra eo anivon’ny Vaomiera nasionaly misahana ny fifidianana Ceni fa nisy nisandoka ny tranonkalan’izy ireo, ny sabotsy 21 de­sambra teo. Nafamadiky ny olon-dratsy tamin’izany ny voka-pifidianana ben’ny tanàna ka nataon’ny mpisoloky ho nandresy ny kandidà laharana fahefatra ho an’ny eto an-dRenivo­hitra. Niova ho faharoa kosa ny […]