Taratra

Minisitra Sahondrarimalala Marie Michelle: “Tombony ho an’Antananarivo ny fananana ben’ny Tanàna vehivavy”

Nitondra ny fijeriny momba ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina teo ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena. Tombony ho an’Antananarivo ny fananana ben’ny Tanàna vehivavy, araka ny nambarana. “Fantatsika fa tombony betsaka ho an’ny ta­nànan’Antananarivo ny fananana ben’ny Tanàna vehivavy”, hoy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena sady mpikatroka eo anivon’ny vovonana Isika rehetra […]

INDRAY MIJERY

Nanolotra video projecteurs miisa 10 ho an’ny sekolim-panjakana miisa folo, eto amin’ny Dren Anala­manga, ny orinasa Epson Europe BV Maroc. Nahazoana ny fitaovana ny fiaraha-miasa avy amin’ny minisiteran’ny Fana­beazam-pirenena, ny minisiteran’ny Fampiroboro­boana ny haitao sy ny ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny orinasa Epson. Moto miisa 6 […]

Fahasalamana: Notolorana boky ireo mpitsabo

Notoloran’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Pr Randriamanantany Zely Arivelo, boky ireo mpitsabo eny anivon’ny tobim-pahasalamana fototra hanampy azy ireo amin’ny fomba fiasa. Mirakitra ny torolalana mahakasika ny fandraisana an-tanana ny marary izany. Miendrika algorithme na ordinogramme izy ity. Miisa 3 000 ireo natonta. Tsy hisy CSB ho hadino na iray […]

Noelin’ny mpiasa: Niara-faly ny mpiasa eo anivon’ny vondrona Andriantsitohaina

Niara-nitotorebika sy nilanona ireo mpiasa rehetra eo anivon’ny vondrona Andriantsitohaina, ny sabotsy teo. Fety nanehoana ny firaisankina sy ny fifankatiavana eo amin’ny rehetra izy io. Nankalaza ny “Noelin’ny mpiasa” niaraka ireo mpiasa rehetra eo anivon’ny vondrona Andriantsitohaina, ny sabotsy lasa teo. Natao tetsy amin’ny Manoir Orimbato Antehiroka ny lanonana niarahan’ny […]