Taratra

Miandry am-pitoniana

  Higadona ny andro malaza. Hivoaka anio atoandro ny voka-pifidianana eto an-dRenivohitra. Inona no hiseho? Hoy ny mpijery miiba. Hiditra amin’ny manara-penitra sy ara-dalàna kosa Antananarivo, hoy ny olona mijery ambony. Samy miandry izay didy vonjy maika avy amin’ny Ceni izany. Ity farany izay efa nilokaloka fa madio sy araka […]

TSELATRA

Voasambotry ny polisy ny tovolahy iray nahatrarana basy Kalachnikov tao Ambohitsoa, ny 15 desambra 2024 teo. Zandary nanao sakana teo Ambohitsoa no nahatratra azy. Natao ny fisavana ny fitoeran’entana. Nahitana basy Kalachnikov iray, boite chargeur iray sy bala 29 tao anatin’io taksiborosy mampitohy an’Analavory sy Tsiroanomandidy io. Lasa nitsoaka avy […]

TRATRA teo Antohomadinika: mpanendaka nalefa eny Antanimora

Voasambotry ny polisim-pirenena ny jiolahy raindahiny amin’ny asa fanendahana miharo herisetra teny amin’ny tetezan-dRamala, Antohomadinika Atsimo, ny alin’ny talata 17 desambra teo. Nanao fisafoana amin’ny alina ny mpitandro filaminana miasa eo anivon’ny boriborintany fahefatra. Nifanehatra tamin’io lehilahy io izy ireo. Nikasa handositra avy hatrany ity farany ka nosamborina. Nampiahiahy rahateo […]

Nipitika teny ambony moto: lehilahy maty, niparitaka ny lohany

Raim-pianakaviana iray, 30 taona, no maty tsy tra-drano vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny Ivandry. Voalaza ho nandeha mafy izy, tsy nahafehy ny familiana, araka ny fampitam-baovao. Mpitondra moto iray indray no maty tsy tra-drano afakomaly, teny Ivandry. Teny amin’ny lalana mifanila amin’ny masoivohon’i Rosia no nisehoan’izany. Voa­laza fa sodokan’ny lalana malalaka, […]