Taratra

25 taona namokarana rindrambaiko : Manampy ny orinasa hivelatra amin’ny niomerika ny Softwell

Mamokatra “logiciel” ary mametraka izany amin’ny orinasa miaraka amin’ny fiofanana hahatonga azy ireo hahomby amin’ny sehatrasany no antom-pisian’ny Softwell, nanomboka ny taona 2001. Orinasa malagasy ma­nampy ny orinasa hafa sy sehatra na rafitra amin’ny fampiasana rindrambaiko sy solosaina hirosoana amin’ny tontolo niomerika ny orinasa Softwell. Manamarika ny 25 taona nivoarany […]

Fisintahana amin’ny hetsika 25 septambra : Handeha manokana ny Gen Ankatso sy Vontovorona

Nisintaka, niala eo anivon’ny komity mikarakara ny fanamarihana ny 25 septambra ireo mpianatra eny Ankatso sy Vontovorona. «Manahy izahay fa sao hatao fitaovana hakana vola sy hitaomana olona fotsiny amin’io hetsika io. Manana porofo amin’izany ahiahinay izany izahay mpianatra», hoy izy ireo, omaly, teny Ankatso. Na izany aza, hanao hetsika […]

VAOVAO TAMBATRA

Mandroso ny asa fanamboarana ny ampahan-dalana natao « béton » ao Sanfil Toliara. Amin’ny lalam-pirenena fahafito ity lalana ity, mirefy 800 m. Ny 50% ny asa no efa vita, ankehitriny, ka efa misokatra amin’ny ampahany ny fifamoivoizana, rehefa nahafeno ny fe-potoana ilaina hahamafy ny simenitra amin’ny « béton ». Tafiditra ao anatin’ny asa atao […]

Fotodrafitrasa : Nifanome tanana ny faritra sy ny Spat Toamasina

Fanamby napetraka ny hanafoana ny lalan-dratsy sy ny lavadavaka ao an-tampon-tanànan’i Toamasina. Tafi­ditra ao anatin’izany ny fidirana eny amin’ny seranam-piaramanidina Ambalamanasy raha avy ao Toamasina mihazo ny lalam-pirenena faha-5. Etsy ankilany, ho vita tsy ho ela ny fanitarana ny seranan-tsambo ka tsy ho mena-mitaha amin’ny seranan-tsambo iraisam-pirenena any ivelany. Hifan­garika […]

Tontolo iainana: Mpianala 50 tafiditra mpiasa raikitra

Natolotry ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) azy 50 mianadahy, ny 16 septambra teo, ny taratasy mirakitra ny fifanarahana arakasa ho azy ireo. Avy amin’ny andiany voalohany, « Santatra », nivoaka ny novambra 2020 sy ny andiany faharoa « Miray », nivoaka ny desambra 2022 izy ireo. Nitarika ny fotoana, nanolotra […]