Taratra

Baolina kitra : Hilalao eo Mahamasina indray ny Barea

Ny volana marsa 2024 no nahitan’ireo Malagasy ny lalaon’ny Barea farany teo amin’ny Kianja Mahamasina. Miverina izany ka hiaka-tsehatra hanamafy ny fanomanana ny “Chan 2024” izy ireo. Hotontosaina, anio, etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny lalao fitsapana farany hihaonan’ny Barea Chan sy ny ekipa voafantin’ny “Pureplay Football League (PFL)”. Anio […]

Fandaharanasa USAID Access: Tokony ho tafita eny ifotony ny traikefa napetraka

Nifarana tanteraka ny alakamisy teo, ny fandaharanasa Usaid Access izay nifantoka tamin’ny fampandrosoana ny tontolon’ny fahasalamana eto Madagasikara. Natao ny fifam­pizarana sy ny lesona azo tsoahina ary ny fijerena ny faharetan’ny vokatra izay napetraka horaisin’ny minisiteran’ny Fahasalamana. To­kony hahaleo tena ny eny ifotony amin’ny sehatry ny fahasalamana sy hampaharitra ny […]

Nidinika ireo mpisehatra voakasika: Hampiakarina ny lentan’ ny fampianarana ambony

Fanamby napetraky ny filoha’ny Repoblika tamin’ny minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Chaminah Loulla, ny fanatsarana sy fampiakarana ny lentan’ny fampianarana ambony eto Madagasikara. Hirosoana amin’ny tanjona, notanterahina nandritra ny roa andro tao Mantasoa ny atrikasa karakarain’ny minisitera momba ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana. Nan­dray anjara ao […]

Atsimo Atsinanana: Nohamafisina ny fahaiza-manaon’ ny tambajotra miaro ny ankizy

Nohamafisina ny fahaiza-manaon’ny tambajotra miaro ny zon’ny ankizy (Réseau pour la protection de l’enfant) eto amin’ny faritra Atsimo Atsinanana. Mandritra ny hefarana no nanatontosana izany tao amin’ny centre récréatif Abba Farafangana, nifarana omaly. Nitarika ny fampiofanana ny avy amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina sy ny Unicef izay mpiara-miombon’antoka. Mandray […]