Taratra

Depiote Ramilison Nomenjanahary: “Manimba firenena ny fandravana andrimpanjakana”

“Nisy teto ny krizy tamin’ny 2009, ny antoko politika rehetra tsy lany teto amin’ny firenena no niditra CST sy CT tamin’izany. Efa tsy nety ireny natao ireny. Mbola haverina aty amin’ny 2026 indray ve” ? Io ny fanehoan-kevitry ny de­piote voafidy tany Faratsiho, Faritra Vakiankaratra, tamin’ny anaran’ny Firaisankina, Ramilison Andriamampionona Nomenjanahary, […]

Mampandini-tena

Andrasana fatratra amin’izao fitondrana hoe fanovana sy fanavaozana izao izay tena asa mivaingana amin’izay. Tsy inona fa fihatsaram-piainana, indrindra ny fiainam-bahoaka: famatsian-jiro sy rano, vidim-piainana, fandriampahalemana, famoronana asa… Saika fiteny mandrakariva amin’izany ny hoe mila miova aloha ny toe-tsaina. Izay miova no afa-kanova. Eo koa ny hoe omeo sehatra ny […]

Tolo-kevitra amin’ny fikaonandoha: Hanitsy ny tsy fitoviana isam-paritra ny MMM

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny birao politikan’ny antoko Malagasy miara-miainga, omaly. Anisan’ny hitondra tolo-kevitra amin’ny fikaonandoham-pirenena izy ireo. Nivoitra tamin’izany fa mandala hatrany ny fifampidinihana eo amin’ny samy Malagasy ny MMM ary saro-piaro amin’ny firasaim-pirenena. «Ilaina ny fanitsiana ny tsy fitoviana misy eo amin’ny faritra, amin’ny alalan’ny famerenana ho laharam-pahamehana […]

TSELATRA

Kodiaran-droa notaingenan’olon-droa indray nidona mafy tamin’ny kamiao mpitatitra entana, tetsy amin’ny digue Ambohitrimanjaka, omaly hariva tamin’ny 7 ora tany ho any. Nitsirara tamin’ny tany ireo roa lahy nitaingina ilay moto. Tsy nisy nahatsiaro tena izy ireo noho izany. Efa noentina tany amin’ny hopitaly Manara-penitra izy ireo. Mateti-pitranga loatra ny lozam-pifamoivoizana […]

Voasambotra ny nahavonon-doza : Vehivavy sembana 64 taona lasibatry ny fanolanana

Voasambotry ny zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra Foulpointe, tamin’ity herinandro ity, ny lehilahy iray 28 taona. Tompon’antoka tamin’ny fanolanana vehivavy lehibe iray manodidina ny 64 taona, tany Foulpointe. Vehivavy ma­nan-kilema ara-batana io lasibatra io. Raha tsiahivina, niala tao amin’ny trano fonenany ary nikasa handeha hamangy fianakaviana ity ramatoa lehibe ity, […]