Taratra

Anjozorobe : Takalonaina efatra maty notifirin’ny dahalo

Notifirin’ireo dahalo mpaka an-keriny afakomaly, ireo vehivavy efatra taka­lonaina nalain’izy ireo tao amin’ny tanànan’Ambohibary Vohi­lena, ny 12 desambra lasa teo. Nentin’ireo olon-dratsy ireo vehivavy, izay 16 taona ny zandriny indrindra raha toa ka 40 taona ny zokiny. Nitaky lelavola 20 tapitrisa Ar isanisany ho sandan’ny famotsorana ireo lasibatra ny dahalo. […]

Ambohitrimanjaka: Rongony 1 taonina nodorana

Nahazo alalana avy amin’ny fitsarana, nodoran’ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina ny rongony nilanja 1 taonina natao teny Ambohitrimanjaka, omaly. Azon’ny mpitandro filaminana noho ny fisavana tampoka sy ny loharanom-baovao tany amin’ny lalan’Antsirabe ireo zava-mahadomelina ireo ny 8 sy ny 10 janoary teo. Naharay loharanom-baovao ny polisy fa misy […]

Lova sy fitiavam-bola: Novonoiny ny reniny

Niakatra fampanoavana, omaly, ny lehilahy iray sy ny mpiray tsikombakomba aminy. Namono nahafaty ilay renim-pianakaviana teny Andavamamba noho ny lova izy ireo. Nidoboka am-ponja, oma­ly, ilay lehilahy namono nahafaty ny reniny tao an-tranony tetsy amin’ny Cité Anjezika Andavamamba. Re­hefa avy niakatra fampanoavana tetsy amin’ny fitsarana Anosy, omaly ihany. Voasazy higadra […]

Ligy Atletisma Ihorombe: Hisokatra amin’ny sabotsy ny taom-pilalaovana

Hosokafana amin’ny fomba ofisialy ny sabotsy 25 janoary ho avy izao ny taom-pilalao­vana 2025 ho an’ny ligy atletisma Ihorombe. Hotantera-§hina eo amin’ny Kianja fahaleovantena Ihosy izany. Hisy hetsika maro hanamarihina ity fanokafana ity. Anisan’ireny ny fisian’ny «cross de cohésion», natokana ho an’ireo daholobe ka nanasana ireo tomponandraiki-panjakana ao an-toerana, ary […]

SOMBIM-BAOVAO

Hisy « festival de rugby » ho an’ny sokajy zandriny U13 sy U16, lahy sy vavy, hatao ny sabotsy 25 janoary ho avy izao. Fihaonana karakarain’ny Malagasy rugby ary hotanterahina etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. Klioba 14 no hifaninana ho an’ny U13, raha 15 kosa izany ho an’ny U16. Araka ny tsiliantsofina, […]