Taratra

Tratra teny Anosizato : naiditra am-ponja ilay kolonely sandoka

Notanana vonjimaika any am-ponja ny lehilahy nisandoka ho kolonely teny amin’ny kaominina Anosizato, ny 10 desambra lasa teo. Nanao fanamian’ny Tafika Malagasy io lahian­titra io. Nanao ny asany teny an-toerana, nandamina ny fifamoivoizana ny zandary ka nanakaiky ireo mpitandro filaminana ireo io lehilahy io. Nitonon-tena ho manam-boninahitra kolonely izy tamin’io […]

Sekolin’ny Etamazaoro ; Nivoaka ny andiany faha-30

Notanterahina ny zoma 6 desambra 2024, tao amin’ny Cercle mess Soanierana, ny famoahana ireo mpianatra andiany faha-30 eo anivon’ny Sekolin’ny Etamazaoro. 13 mirahalahy ireo an­diany indray navoaka, rehefa avy niatrika fiofanana teorika sy fampiharana nandritra ny sivy volana. Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly […]

ONMAC-VG: Notsidihin’ny Légion d’honneur

Tonga nitsidika ny trano fampirantiana amin’ny Ofisy nasionaly malagasy ho an’ny mpiady tranainy sy ny Bekotromaroholatra Anosy (ONMAC-VG) ny delegasiona avy ao amin’ny fikambanana Légion d’honneur avy amin’ny Nosy La Réunion, notarihin’ny filohan’izy ireo. Nandray azy ireo teny an-toerana ny talen’ny ONMAC, ny Jly Raharijaona Faly. Fanamafisana ny fiaraha-miasa eo […]

Tranomboky monisipaly : Hampiroboroboina ny zavakanto

Tsy mitsahatra mamerina ny hasina sy ny maha izy ny zavakanto sy ny kolontsaina ny Tranomboky monisipaly Analakely. Raha tsiahivina, ny volana oktobra 2023 ity trano famakiam-boky ity no niverina nisokatra indray, taorian’ny fanavaozana sy fanatsarana natao azy. Hetsika ara-javakanto sy ara-kolontsaina maro no hita eny an-toerana. Tanjona ao anatin’izany […]