Taratra

Antsampanana Brickaville : Mirongatra izaitsizy ny fanolanana

Kaominina ahitana trangana fanolanana matetika ny kaominina Antsampanana Brickaville RN2. Voaporofon’ny antontan-taratasin’ady telo mahakasika fanolanana izay niakatra tao amin’ny Lapan’ny fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava Toamasina, omaly izany. Voalohany ny antontan-taratasin’ady laharana faha 50-Toa/24 hanenjehana an’i Todizara Eric noho izy tompon’antoka tamina fanolanana ankizivavy 8 taona ny 01 […]

INDRAY MIJERY

70 ny antontan-taratasy fangatahana hampianatra eny amin’ny fampianarana ambony amin’ny sehatra miankina sy tsy miankina, izay hodinihin’ny vaomiera roa : Commission de Référence pour les Formations en Méde­cine (CRFM) sy ny Commission Nationale d’Habi­li­ta­tion (CNH) eny anivon’ny minisiteran’ny Fampiana­rana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Hiandraikitra ny dingana voalohany ny CRFM izay […]

Tetikasan’ny USAID any Atsimo Atsinanana: Nanara-maso ny masoivoho amerikanina

Nidina tany amin’ny faritra Atsimo Atsinanan’i Madagasi­ka­ra izay hanatanterahana ny tetikasa roa lehibe “Vikina sy harea” ny masoivoho amerikanina, Claire Perangelo, nijery ireo tetikasan’ny  USAID. Hiompana betsaka amin’ny fahaiza-miatrika sy ny fanjarian-tsakafo ireo tetikasa goavana roa ireo. Hanampy tokantrano marefo maherin’ny 88 000 any amin’ny faritra atsimo sy atsimo atsinanan’i Madagasikara […]

Fijery hafa : Tanora 11 440 hiofana ao Vakinankaratra

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, tamin’ity herinandro ity, tao amin’ny LTP Antsirabe ny hetsika « Fijery hafa » ho an’ny faritra Vakinankaratra, izay miaraka amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa. Sampam-panofanana marolafy no nahafahan’ireo tanora sy vehivavy miisa 11 440 nisoratra anarana nisafidianana : fanamboarana mofomamy : 1805, fikirakirana hazo : 294, fanamboarana […]

Atrikasa mandritra ny roa andro : Hamafisina ny ady atao amin’ ny pesta eto Madagasikara

Natomboka omaly ary hifarana anio etsy amin’ny Carlton Anosy ny atrikasa, mahakasika ny andro hanaovana ny ady amin’ny fiparitahan’ny pesta eto Madagasikara. Mandray anjara ireo mpiantsehatra sy mpiara-miombon’antoka rehetra eo amin’ny tontolon’ny fahasalamana sy ny ady amin’ny aretina pesta. Aretina tena mbola misy eto Madagasikara ny pesta ary ahitana izany […]