Ho fiomanana ny fankalazana ny fetin’ny Noely, mikarakara “Bazar de Noël”, andiany faha-60 ny Wednesday Morning Group (WMG). Hatao etsy amin’ny Hôtel Carlton Anosy, ny 30 novambra izao izany. Hiarahan’izy ireo miasa amin’ny ambasadaoro maro sy orinasa samihafa, toy ny groupe Andriantsotahiana. “Natokana ho amin’ny fanofanana ireo vehivavy sy renim-pianakaviana […]
Taratra
Ho mariky ny fanohanana ireo marefo: nanome jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro Rajoelina Mialy
Mariky ny fijoroan’ny vadin’ny filohan’ny Repoblika manohana hatrany ireo vehivavy ianjadian’ny herisetra ary mampirisika azy ireo hioitra sy hanarin-tena, ny hetsika natao omaly. Lohahevitry ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena hanafoanana ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy ny hoe “mijoro sy manarin-tena rehefa avy niharan’ny herisetra”. Nanolotra jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro […]
Madagasikara- Nosy Maorisy: Hifantoka amin’ny sehatry ny toekarena ny fiaraha-miasa
Tao anatin’ny fihaonan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika sy ny minisitry ny Raharaham-bahiny maorisianina, Ritesh Ramful, no nanasongadinana ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Ny 26 novambra teo, tany Maorisy no nanatanterahana izany fihaonana izany. Anisan’ny navoitra tao anatin’ izany ny fiaraha-miasa ao anatin’ny fanomanana ny fihaonana […]
Madagasikara- Afrika Atsimo: hihamafy ary hivelatra ny fifandraisan’ny roa tonta
Nitsidika ara-pomba fifanajana ny Jly Ravalomanana Richard, filohan’ny Antenimierandoholona, i Khazamula Lawrence Chabane, masoivoho vaovaon’i Afrika Atsimo miasa sy monina eto Madagasikara. Omaly, teny amin’ny Lapan’Anosikely no nanatanterahana izany fihaonana teo amin’ny roa tonta izany. Ankoatra ny fanatsarana sy fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Afrika Atsimo izay […]
Vondrom-bahoaka ifotony : hohavaozina sy hohafainganina ny famatsiam-bola
Atao eto Madagasikara mandritra ny roa andro, omaly sy anio, ny fivoriambe faha-12 eo anivon’ny Riafco. Nanokatra izany ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina. Ireo rafitra fampandehanana hanavaozana ny famatsiam-bola ny vondrom-bahoaka. Io no lohahevitry ny fivoriambe faha-12 eo anivon’ny Réseau des institutions Africaines de […]




