Ny Kianja Masoandro eny amin’ny Rovan’i Madagasikara no nandray ny hetsika «Andron’ny Kilalao malagasy», omaly. Hetsika nampahafantarana ireo kilalao malagasy sahala amin’ ny katro, fanorona, tsobato, raosijamba, sy ny maro hafa. Ireo ankizy mivondrona ao amin’ny fikambanana Ank’Izy sy ireo mianatra eny amin’ny sekoly manodidina no maro an’isa tamin’ny nandray […]
Taratra
Etazonia – Slam National : ho avy eto Madagasikara i Marc Smith
Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny andiany faha-15 ny Slam National. Handray andraikitra mivantana ao anatin’ izany i Marc Smith, teratany amerikanina, poeta sady mpanoratra fanta-daza maneran-tany. Marc Kelly Smith, mpanorina ny hetsika «Slam-poésie» maneran-tany. Fantatra, omaly, fa hanohana ny fahatongavany eto Madagasikara, hiatrika ny «Slam Narional» andiany faha-15 ny masoivoho […]
Lanjan’ny vita gasy : mpanjifa ny akanjo vita malagasy sy lambalandy ireo vao hanorin-tokantrano
Mbola tsy tena mahazo vahana ny fanjifan’ny vahoaka malagasy ny akanjo vita malagasy sy vita amin’ny landy, raha eto Madagasikara. Maro amin’ny mpanjifa azy ireny kosa ny olon-droa vao hanorin-tokantrano, ny mivoaka ho mpikabary, izay efa mahatsapa ny lanjan’izany. Mihena ny fanjifan’ny olona, indrindra ny vahoaka malagasy ny akanjo vita […]
VAOVAO TAMBATRA
Nahatratra 4 023 kilao ny masomboly vary an-drano sy 2 088 kilao vary an-tanety, nomena ny tantsaha miisa 563 any amin’ny kaominina miisa 8 any Amoron’i Mania. Nisy koa zezika NPK 8 445 kilao sy zezika biolojika 42 225 kilao. Hiatrehana ny taom-pamokarana 2024-2025 ireo kojakojam-pambolena ireo avy amin’ny tetikasa Purpa, vatsian’ny Bad ara-bola […]
Toekarena : antoky ny fampandrosoana ny tanora
Tombony ho an’i Madagasikara ny fananana tanora maro eto amin’ny firenena izay antoky ny fampandrosoana. Nosokafana ny talata teo, « ny Herinandro ara-toekarena Aemaja », andiany fahatelo tetsy amin’ny gara Soarano. Nilaza ny filohan’ny fikambanana ara-toekarena malagasy sy japoney (Aemaja), Ratodisoa Andonirina, fa “mila atao laharam-pahamehana ireo fandaharanasa ho an’ny fampiroboroboana ny […]




