Taratra

Fisaraham-panambadiana : lany andro ny lalàna mifehy azy

Natsinkafon’i Nam­binin­tsoa Joséphine Prisca, “M.2” sampam-piofanana lalàna anivon’ny oniversiten’ Ankatso nandritra ny fanohanana ny voka-pikarohany, natao tao Ankatso, ny herinandro lasa teo, fa efa lany andro ny lalàna mifehy ny fanambadiana sy ny fisaraham-panambadiana ka lasa mitondra voka-dratsiny amin’ny reny sy ny taranaka izany. Raha mitranga amin’ny ankohonana iray ireo, […]

Tsy afaka mihetsika ny rantsam-batana: nomen’ny filoha seza misy kodiarana i Sedera

Vokatry ny fahavoazana eo amin’ny tsokan-damosina, tsy afaka mihetsika ny ratsam- batana ambanin’i Sedera. Nivonto koa ny tongony satria nivaingana ny ra ka nanentsina ny “veine” teo amin’ny foto-peny. Ny talata lasa teo no tonga teo amin’ny CHURJA indray i Sedera, ilay ankizilahy voan’ny balan’ny jiolahy tany Toa­masina, ny fiandohan’ny […]

Volley ball-CCCZone: mety ho 3 ny ekipa vehivavy malagasy

Anatin’ny fiomanana tanteraka amin’izao ireo klioba malagasy hiatrika ny fifaninanana CCCZone 7 (Coupe des clubs Champions Zone 7), taranja Volley ball. Fifaninanana hatao ny volana febroary 2023 izao any Maorisy. Raha ny loharanom-baovao, nangataka tamin’ny Federasiona malagasy ny volley handray anjara amin’ity CCCZone 7 ity ny ekipan’ny Bi’As, ka mety […]

Badminton – «Mada 2022»: hifantenana izay hiatrika ny lalaon’ny Nosy

Notanterahina ny asabotsy sy omaly alahady, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja badminton, sokajy «sénior» la­hy sy vavy. Fihaonana, natao tetsy amin’ny kianja ANS Ampefiloha. Tanjon’ity fifaninanam-pirenena ity, ny fitiliana mpilalao handrafitra mialoha ny ekipam-pirenena. Ankoatra izay, hijerena ny filaharan’izy ireo ihany koa ka ireo 24 lahy sy 18 […]

Lomano-Tompondaka eran-tany: « Record national » roa no montsan’ i Jonathan

Nifarana, omaly, tany Aostralia, ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, dobo filomanosana 25 m, taranja lomano. “Record national” roa no montsan’i Jonathan. Tsara raha eo amin’ny fe-potoana vitany, ny vokatra ho an-dRa­har­vel Harivony Jonathan, nandritra ity fiadiana ny tompondaka eran-tany, taranja lomano ity. Mbola mila ezaka kosa anefa eo amin’ny sehatra […]