Taratra

Fampandrosoana : hisitraka fampitaovana nomerika ny eny ifotony

Natao ny talata teo ny atrikasa ho amin’ny fampitaovana ny eny anivon’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana (CTD), mifandraika amin’ny “Digitalisation”. Nivoitra ny hijeren’ny minisiteran’ny Ati­tany sy ny fitsinjaram-pahefana (Mid) ireo fitaovana mifandraika sy ho azon’ny eny ifotony ampiasaina. Eo ny fampisana ny nomerika ho amin’ny fitantanana ny asam-panjakana sy ny ara-bola. Ny […]

Tetikasa OBS-Mada : tanora 10.000 nitondra fiovana

Antony mampirongatra ny tsy fandriampahalemana ny tsy fananan’ny tanora asa. Napetraka ny tetikasa OBS-Mada, mikendry ny tanora hanamafy ny fahaiza-mitarika, mba ho lasa mpivoy filaminana eny amin’ny fiarahamonina. Manohana ara-bola azy ny Tahirimbolan’ny firenena Mikambana hanamafisana orina ny fandriampahalemana (PBF), eo ambany fiahin’ny minisiteran’ny Fanatan­jahatena sy ny tanora, tantanan’ny Pnud […]

Fangatahan-kevitry ny HCDDED: tsy mbola afa-milaza inona ny HCC

“Ny azo tenenina aminareo dia izao: androany, amin’ny maha filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ahy, tsy afa-kilaza na inona na inona”, hoy ny valin-tenin’ny filohan’ny HCC, Ra­kotoarisoa Florent, teny Tsimbazaza, omaly, mom­ba ny fangatahan-kevitra nataon’ny HCDDED ny amin’ny fitsipaham-pitokisana nataon’ny Antenimie­rampi­re­nena ny governemanta sy ny amin’ny fitsabahana andraikitra nataon’ny […]

Tobim-panafody : nolanian’ny loholona ny lalàna Voninahitsy

Nolanian’ireo loholona tsy nasiam-panintsiana, omaly, ny volavolan-dalàna 003-2021, mikasika ny fahasalamana natolotry ny solombavambahoaka ,Voninahitsy Jean Eu­gène. Isan’ny voarakitra ao ny asan’ny tobim- panafody (dépôts de médicaments). Na­siam-panovana amin’ny alalan’ity volavolan-dalàna ity ny andalana faha-4 sy faha-5 ary faha-6, ao amin’ny andininy faha-202. Milaza mantsy ireo lalàna ireo ny tokony hialan’ny […]

Tranoben’ny tantsaha mpamokatra : antenaina ny fanohanan’ny minisitera masomboly sy fitaovana

Nanao ny fivoriambeny ny mpikambana ao anatin’ny filankevim-pitantanan’ny Tra­no­ben’ny tantsaha mpamokatra (TTM), ny 12 sy ny 13 desambra 2022 teo, teto An­tananarivo. Tafditra tao anatin’ny lahadinika noresahana ny mikasika ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro, indrindra ny mahazo ny tantsaha mpamokatra. Isan’izany ny firotsahan’ny havandra tany amin’ny distrikan’i Faratsiho, faritra Vakinankaratra, ny […]