Mahery vaika ny asan-dahalo ao amin’ny distrikan’Ambovombe, Faritra Androy. Vatan-dehilahy miisa dimy, anisan’ireo nanara-dia dahalo mpangalatr’omby, maty voatifitry ny olon-dratsy, afakomaly. Nitrangana asan-dahalo mahery vaika tao amin’ny kaominina Imamombo, distrikan’Ambovombe, ny alin’ ny 14 novambra lasa teo. Noraofin’ireo olon-dratsy mitam-piadiana ny omby tao amin’io toerana io. Nanara-dia ny fokonolona. Niara-nisalahy […]
Taratra
Anosizato Atsinanana II : fatin-jaza nariana tao anaty harona plastika
Roa vavy hitan’ny fokonolona nanary fatin-jaza teny Anosizato Atsinanana, omaly. Mpaka fako no nanokatra ny fonosana. Fatin-jaza niaraka amin’ ny ahitra, hitan’ ny fokonolona teny amin’ny elanelan-trano anatin’ny fokontany Anosizato Atsinanana II, omaly tamin’ny 11 ora atoandro. Vehivavy roa no nisy nahita nanipy harona plastika niloko fotsy teo amin’ io […]
Kianja mitafo Arena Toamasina : nanolotra seho miavaka ny mpanao karate
Anisan’ny nanatrika sy nanome voninahitra ny fitokanana ny kianja mitafo Arena Toamasina, ny teo anivon’ny Federasion’ny karate-do malagasy, ny faran’ny herinandro teo. Tsy nanotrona fotsiny anefa izy ireo fa nanolotra seho Kihon sy kata izay notarihin’ny filoha sy ny Tale Teknika nasionalin’ny FKM. Voninahitra lehibe ho an’ny karate malagasy ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Nanainga omaly, hihazo an’i Maroc, hiatrika ny fifaninanana hahazoana ny tapakila hiakarana ao amin’ ny Top 8 eto Afrika, ny XV Makis, lehilahy. Nilaza moa ireo mpilalao fa efa fotoana maro izay izy ireo no nanomana ary vonona ny hanome ny tsara indrindra avy aminy. Hotontosaina any Maputo, ny 5 […]
“Trail UCTS” – fahadimy : hizara fito ny sokajin-dalao amin’ity
Hotanterahina ny 22, 23, 24 novambra ho avy izao, eto Antananarivo, ny andiany fahadimy amin’ny hazakazaka mitety vohitra sy natiora na ny “Trail UCTS”. Araka ny fanazavana nataon-dRazafinavalona Harimisa, talen’ny Ortana sady mpikarakara, miisa fito ny sokajin-dalao hatao amin’ity hetsika ity. Anisan’izany ny hazakazaka tsotra amin’ny halavirana mirefy 18 km, […]




