Taratra

Ankatso: jiolahy tratra nanendaka teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be

Voasambotry ny polisin’ny FIP teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be Ankatso, afakomaly atoandro, ny jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana sy fanaovana sinto-mahery. Raha ny tatitra voaray avy amin’ny Kaomisarian’ny boriborintany faharoa (CSP2) Ambohijatovo, manara-maso ireo toerana be mpifamezivezy hatrany ny polisy mba hisorohana ny mety ho fanararaotana ataon’ny mpanao ratsy. Voakasik’izany ny eny […]

Mpanaparitaka héroïne: voaheloka dimy taona an-tranomaizina i Fortuno

Nivaly ny didim-pitsarana fa midoboka dimy taona any am-ponja, sazy mihatra, ny lehilahy iray atao hoe Fortuno. Mpanaparitaka rongony mahery vaika tao Toamasina, ny 22 desambra teo.  Voasaringotra tamin’ny fahatrarana zava-mahadomelina izy sy ny namany efatra mianadahy hafa. Nokasain’ireo haondrana  tao Toamasina ireo héroïne avy any Nosy Be ireo. Nalefan’ireto […]

Tsy fandriampahalemana: mpangalatra niharan’ny fitsaram-bahoaka

Lehilahy iray no voasambotry ny fokonolona, teny Ankeniheny, ny zoma, teo noho ny halatra nataony. Nifanenjehan’ny fokonolona izy ka tratra ary saika niharan’ny hatezeram-bahoaka. Tonga ara-potoana anefa ny polisim-pirenena ka voasoroka izany. Vokany, natolotra ireo mpitandro filaminana ny tenany hanohizana ny famotorana. Ankoatra ity, jiolahy iray koa no tratra teo […]

Tselatra

Naiditra ao amin’ny fonjaben’i Taolagnaro ny lehilahy iray voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fanolanana ankizy vao 12 taona. Mitondra vohoka dimy volana ilay niharam-boina taorian’ny fitsirihana nataon’ny dokotera. Fantatra fa nanomboka tamin’izy 11 taono no nisian’izao fanolanana izao. Tambazany vola 1 000Ar sy bisky ilay ankizy rehefa hanao ny filan-dratsiny izy.

Fetin’ny Krismasy: 40 ny lozam-pifamoivoizana, olona iray maty

Fety tsy ialana loza! Nahatratra 40 ireo trangana lozam-pifamoivoizana nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy teo. Olona iray namoy ny ainy, teny Malaza Ampitatafika…  Na efa nanao fanentanana aza ny eo anivon’ny fitandroana ny filaminana amin’ny tokony hitandreman’ny tsirairay mba ho fety ieren-doza, tsy izany ny zava-nitranga fa misy hatrany […]