Taratra

Kandidà Ndriana Razanamasy : tsy hampanofinofy ny mponin’Antananarivo

Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny QG Ambodiroatra Antsakaviro ny kandidà ho ben’ny Tanàna, Ndriana Razanamasy, omaly tapakandro maraina. Fotoana nanombohany ny fampielezan-kevitra ataony eto Antananarivo. Nanao fanambarana mahakasika ny fahavononany amin’ny fifidianana sy ny fanolorany ny vinany ary ny fampahafantarana momba ny tenany izy, tamin’izany. «Tsy hampanofinofy sy hanao […]

Mahaiza misafidy!

  Raikitra indray! nisokatra omaly ny fotoan’ny fampielezan-kevitra. Maresadresaka ny tanàna. Afakafa-boly indray aloha ny vahoaka. Ny tsy misy atao afaka mikarama, manamaro isa. Ny tsy an’asa afaka manantena mana avy any amin’ny kandidà. Iaraha-mahalala fa misy ny fomba izay tsy hita ny maharatsy azy: ilay fanoloram-potsiny sy fihinanana ilay […]

Fampielezan-kevitra: Samy manana ny paikadiny ny kandidà

Raikitra! Nanomboka omaly ny fampielezan-kevitra ho an’ireo kandidà hofidina ho ben’ny Tanàna, manerana ny Nosy. Samy manana ny paikady handresen-dahatra ny mpifidy izy ireo. Nisokatra omaly, haharitra 21 andro, ny fampielezan-kevitra ho an’ireo milatsaka hofidina ho ben’ny Tanàna. Samy manana ny fomba niatrehany izany ny kandidà isanisany. Ho an’ny Kaominina […]

TSELATRA

Nitrangana firehetana tanety teny amin’ny manodidina ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, omaly tolakandro. Tsy fantatra ny niandohan’ny firehetana fa ny afo efa nijoalajoala no nahataitra ny manodidina. Voa­tery niato mihitsy aloha ny sidina noho ny fifehezana ny afo. Niverina tamin’ny laoniny ihany anefa izany. Mandeha ny famotoran’ny zandary. Tafakatra dimy ny […]

Mpitady vatosoa : lehilahy maty tototry ny tany

Raim-pianakaviana iray no maty nihotsahan’ny tany tao amina toeram-pitrandrahana vato sarobidy, ao amin’ny fo­kontany Andrany, kaominina ambanivohitr’Amboriala, distrikan’i Vohémar, ny 18 novam­bra 2024 teo. Nampandre ny zandary ao amin’ny poste fixe ao Amboriala ny sefo fokontany Andrany momba ny fisiana fatina lehilahy iray ao amin’ny kariera ao Ambohibala, 15 km […]