Taratra

Fondation Pierre Fabre sy Fondation Mérieux: hanorina fakiolten’ny farmasia eny Ankatso

Manana fikasana hanorina ivontoeram-panofanana vaovao hisahana ny fianarana momba ny farmasia ny Fon­dation Pierre Fabre sy ny Fondation Mérieux. Hahaleo tena fa tsy hiankina amin’ny fakiolten’ny fianarana ho mpitsabo eny amin’ny Oniversiten’ Antananarivo izany. Tanjona ny hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony ka mangataka ny fanohanan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny […]

Nahazo famatsiana avy amin’ny Unesco: tanora 5 000 hofanin’ny ONG HDA momba ny tambajotran-tserasera

ONG telo miaraka amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina ary ny Unesco no nahazo famatsiam-bola mifototra amin’ny fanatsarana ny fanabeazana sy ny fampiofanana ary ny kolontsaina eto Madagasikara. Anisan’izany ny fanofanana tanora 5 000 momba ny tambajotran-tserasera. Dimy ny tetikasan’i Madagasikara nahazo famatsiam-bola avy amin’ny Unesco, tafiditra amin’ny Biennium 2024-2025, ho […]

Taratry ny kanto

Hotontosaina anio ny dingan’ny ampahavalon-dalana, amin’ilay fifaninanana “Volamena”. Fifaninanana adihevitra imasom-bahoaka, ho an’ireo mpianatra eny amin’ny Lycée izy ity, izay hotontosaina ao amin’ny Cité des cultures Antaninarenina. Tontosa omaly, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrasoava Fetra, sy ny tale jeneralin’ny […]

« Café – Histoire »: hampahafantarina ny Zafindraony

Hetsika voalohany hotanterahina ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny «Café – Histoire» ny fampahafantarana ny Zafindraony. Hitondra ny velakevitra, anio, manomboka amin’ny 10 ora maraina, eny amin’ny Musée de la photo Madagascar, etsy Anjohy, i François Noiret, mpampianatra mpikaroka momba ny «anthropologie». Lohahevitra hoentiny amin’izany ny «Zafindraony any amin’ny faritry Betsileo, hira ho […]

Fidiovana – Hasina – Tsodrano: 30 marsa ny « Taombaovao Malagasy »

Afaka mankalaza ny «Taombaovao Malagasy» avokoa ny Malagasy. Fantatra fa ny 30 marsa izao izy io ho an’ity taona 2025 ity. Anisan’ ny zava-dehibe sady antom-pisian’ny Taombaovao Mala­gasy ny fidiovana sy hasina ary tsodrano. Ho an’ny lamina voajanahary, manomboka izao fotoam-pahavaratra izao ny fanadiovana hoentin’ny zavaboahary. Ho an’ny tsirairay, efa […]