Taratra

INDRAY MIJERY

Tsy mifanalavitra amin’ny zavatra natao tany am-pianarana sy nandritra ny famerenana ny laza adina niandry tamin’ny filozofia, ho an’ny mpiadina amin’ny fanadinana bakalorea, omaly maraina. Mathé­matique sy malagasy no atrehin’ny mpiadina anio tontolo andro. Manatitra sy maka ny mpiadina ny ray aman-dreny, isan’andro, noho ny zava-misy miseho amin’izao fotoana izao. […]

Fandriampahalemana an-dranomasina : Voavolavola ny tondrozotra iorenan’ny paikady

Naharitra telo andro ny fifanakalozan-kevitra sy fifampidinihana ary atrikasa nasionaly momba ny fitantanana sy ny fitandroana ny filaminana an-dranomasina eto Madaga­sikara. Hetsika natao tao amin’ny Foibe fanangonana sy fampivondronana ny vaovao an-dranomasina (CFIM) An­ka­ditoho, ny herinandro lasa teo. Natokana ho fampahafantarana ny vokatry ny asa nataon’ireo vondrona ny andro fahatelo […]

Tanora ao Manakara : Niofana hisehatra amin’ny asa maha olona

Notanterahina tao Manakara, nandritra ny efatra andro, ny fanofanana tanora hisehatra amin’ny asa maha olona. Hetsika mialoha ny loza sy fanentanana ara-pahasalamana eny anivon’ny fiarahamonina no natao. Fanofanana niarahan’ny Birao nasionaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC), ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA) ary ny Fisa Madagascar. […]

TARATRY ny KANTO

« Parts d’êtres», mirakitra asa soratry ny dokotera kolonely Horace Joëlle. Bokin-tononkalo amin’ny teny frantsay izy ity, izay nampahafantarina ny faran’ny herinandro teo. Ireo zavatra hitany, tsapany ary niainany avy amin’ny fifaneraserany aman’olona no aingampahin’ity mpanoratra, mpitsabo ary miaramila manamboninahitra ambony ity. Misy lohahevitra maro voizin’ireo tononkalo tsirairay mandrafitra ny boky […]