Taratra

Volana janoary: fotoanan’ny krizy ao an-tokantrano

Mandalo fotoan-tsarotra ny ankamaroan’ny tokantrano rehefa volana janoary. Lany nandritra ny fetin’ny krismasy sy ny faran’ny taona ny vola. Mivaro-pananana na midi-trosa ny ankohonana hahafahana mivelona. Maro ireo maka ny antsasa-karama amin’izao fisasahan’ny volana izao. Fotoana fandraisan’ireo mpivarotra mpandray entana tonta etsy 67 Ha ireo kojakojan-tokantrano amidy mora ny volana […]

Rajoelina Mialy: “Mila atoro ny ankizy ny foto-kevitra ho fiarovana azy”

Nisy ny tranga fanolanana nataon’ny rainy amin’ny zanany vavy tao anatin’ny 19 taona ka nandraisan’ny mpitandro filaminana andraikitra. Manoloana izany, naneho hevitra ny vadin’ny filohan’ny Repoblika sady tompondakan’ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy, tao anatin’ny pejiny manokana amin’ny tambajotran-tserasera. “Amin’ny maha reny ahy, tena marary ny fo mahita ity […]

Taratry ny kanto

Nainako, etsy amin’ny La Teinturerie Ampa­sanimalo. Hampiaina ny mozika avy any atsimo, laroina mozika maoderina ny tarika, manomboka amin’ny 8 ora alina. Anisan’ireo nitondra aina vao ho an’ny mozika antandroy ny tarika, araka izany. Mbola tsapa anatin’ny sanganasan’izy ireo hatrany anefa ilay fototra niaingana tao amin’ny tarika Vaovy sy mbola […]

“Amour’rire3”: ho tafaraka ireo mpanao hatsikana zokiny sy zandriny

“Amour’rire”. Araka ny anarany, andian-tseho manasongadina ny hatsikana sy ny resa-pitiavana izy ity. Hiditra amin’ ny andiany fahatelo ny hetsika, izay hotontosaina ny alahady 16 febroary izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy amin’ny CCEsca Antanimena. Hifarimbona an-tsehatra mandritra izany ireo mpanao hatsikana kalaza toa an-dry Francis Turbo, Honorat, Rajao, […]

Ratovonirina Faly (DJ Gouty): “Himasoana ny fampiroboroboana ny indostrian’ny kolontsaina”

Efa asa nirosoana, ary hotohizana ny fampiroboroboana ny indostrian’ny kolontsaina. Anisan’ireo vinan’asan’ny tale jeneralin’ny Kolontsaina vaovao izany. Notendrena ho tale jeneralin’ny Kolontsaina, eo anivon’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera, Ratovonirina Faly, fantatry ny maro eo amin’ny tontolon’ny kanto amin’ ny anarana DJ Gouty. Izy indray izany no nandimby an-dRaza­fiarison Francis […]