Taratra

CGM/GZ – Seho ankalamanjana : Andiany faha-15 ny « Jazz@Tohatohabato »

Ao anatin’ny fialantsasatra lehibe ny mpianatra. Fantatra, omaly, fa hiditra amin’ny andiany faha-15 ny « Jazz@­ Tohatohabato » na ilay hetsika lehibe momba ny jazz, karakarain’ny Cercle Germano-Mala­gasy/GZ (CGM/GZ), fanao isan-taona eto an-dRenivo­hitra sy ny manodidina. Ny alarobia 5 aogositra, « Jazz kids ». Hiaka-tsehatra ao amin’ny Tranompokono­lona Analakely ireo ankizy kely manan-talenta amin’ny […]

Sehon’ny tarika ‘Zay : «Hihaona indray », hisy tapakila fanampiny ho an’ny mpankafy

Namoronana toerana fanampiny ireo tena mpankafy ny tarika ‘Zay. Vokatry ny fangatahan’izy ireo, taorian’ny « Génération 2000 » teo izany. Herinandro teo izay no efa nanambarana fa lany tanteraka ny tapakila. Mahakasika ilay fampisehoana lehibe hanamarihin’ny tarika ‘Zay ny faha-30 taonany, izay hatao ny alahady 26 jolay ho avy izao, etsy amin’ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Tanterahina any Shanghai, Chine, ny World Artificial Intelligence Conference (WAIC) 2026. Hetsika iraisam-pirenena miresaka ny hoavin’ny Faharanitan-tsaina Artifisialy (IA). Maherin’ny 30 ny firenena mandray anjara ka anisan’izany i Madagasikara. Mitaky fiaraha-mientana maneran-tany ny IA, indrindra amin’ny vanim-potoan’ny IA generative sy ny fampidirana azy ao anatina indostria. Miditra amin’ny dingana ara-teknika […]

ClimateLaunchpad 2026: Startup 3 hisolo tena ny Malagasy any Singapour

Nahazo ny tapakila hiatrehana ny dingana manaraka amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena ClimateLaunchpad 2026, Razanamparany Vero, tamin’alalan’ny tetikasany ValorLink sy Raminosaona Zina, mpanorina ny tetikasa ICP. Miampy an’Andriambe­lozaka Liane, tompon’ny tetikasa Sebio. Nandresy tamin’ny famaranana ny fifaninanana natao tetsy Antaninarenina izy telo mianadahy. Hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny famaranana isam-paritra hatao any […]