Hosantarina anio ny fanadinana Bakalorea manerana ny Nosy. Ny taranja filozofia no hatrehan’ny mpiadina ho an’ny tapany maraina. Haharitra hatramin’ny zoma ny fanadinana ho an’ny fampianarana ankapobeny sy ny sampana teknika andiany voalohany. Ho fanamorana ny fivezivezen’ireo mpiadina bakalorea sy ho fanohanana ny fitandroana ny filaminam-bahoaka manoloana ireo tranga mampanahy […]
Taratra
Kly Joëlle Horace: Namoaka ny boky mirakitra fihetseham-po « Parts d’êtres »
Hafa amin’ny boky rehetra ! Izay no azo ilazana ity boky mitondra ny lohateny hoe « Parts d’êtres » nosoratan’ny dokotera, ny Kly Joëlle Horace. Navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy teo ity boky ity. Tononkalo notsongain’i Kemba Ranavela tao anatin’ireo asa soratra marobe novokarin’ny mpanoratra no mandrafitra ny boky amin’ny ankapobeny. Ny dokotera, […]
Misaona indray ny zavakanto: Nodimandry i Ramy Franck
Rahona mainty indray ho an’ny tontolon’ny zavakanto. Nodimandry ny sabotsy teo i Ramy Franck, araka ny nambaran’ny zanany. 84 taona Rakotomanana François de Sales izao nandao ny tontolon’ny velona izao. Ny kantony kosa mitoetra hatrany, satria nametraka lova ho an’ny mozika sy ny zavakanto i Ramy Franck. Tao anatin’ny vanim-potoan’ny […]
Filankevitry ny minisitra : Miverina ny hamehana momba ny angovo
Miverina mihatra manerana ny Nosy ny hamehana mahakasika ny angovo manoloana ny toe-draharaha maneran-tany. Fanapahan-kevitra nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny zoma teo noho ny fiverenan’ny ady ao “Moyen-Orient”, izay miantraika amin’ny tsenan’ny solika maneran-tany. Fotoana ihany koa ahafahan’ny fanjakana mandray fepetra hiantohana ny famatsiana, hitohizan’ny tolotra. Hampihena koa […]
Brice Lejambe : Mitondra ny heviny momba ny rafi-pitantanana eto amintsika
Natao tetsy amin’ny efintranon’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria eto Antananarivo (CCIA) ny « Café littéraire E-Toerana », andiny voalohany. Fihaonana natokana nandinihina ny olana sy ny fanamby momba ny fitantanan eto Madagasikara. Nasaina manokana tamin’ity andiany ity i Brice Lejambe, nanoratra ilay boky ” La Capture de l’État, essai sur la […]





