Taratra

Androm-pirenena ho an’ny kabary: mpisehatra 189 nahazo ny mariboninahitry ny kanto

Tsy hoe lamaody ka be mpanao, fa kolontsaina ifandovana. Mbola maro mpandala ny kabary malagasy, raha notarafina tamin’ny isan’ireo mpisehatra notolorana ny mariboninahitry ny kanto, omaly. 15 janoary. Natokana ho Androm-pirenena ho an’ny kabary malagasy io daty io, nanomboka ny taona 2022. Ho fanamarihana izany, nisy ny lanonana no­tontosaina tetsy […]

Vaovao tambatra

Misakana ny tsy fisian’ny rano any amin’ny lemaky Bevoay ny fasika be loatra, fa tsy ny tetikasa fanamboarana ny tetezan’i Mangoky velively. Tsikaritra izany nandritra ny fidinana ifotony, tany an-toerana, nataon’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny, ny alatsinainy 13 janoary teo. Vahaolana nangatahin’ny lehiben’ny distrika Morombe ny hanakisahana ny lalan’ny renirano, mba ho […]

Mitsapatsapa

Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera, omaly, ny fanambaran’ny kolonely iray izay efa mitsoa-ponenana. Nitaona ny miaramila hikomy sy hanohitra ny fitondrana izy. Nanontsana ny mpanao politika ingahy manamboninahitra. Nilaza ho mpanavotra an’i Madagasikara. Namaky bantsilana ny fifanarahana nifanaovany tamin’izany fotoana. Dia toa anjely tsy misy pentina ny filazany azy. Manolona izany, namaly […]

Dubai-Antananarivo: ho lasa in-6 isan-kerinandro ny zotra Emirates

Tsy mitsahatra mivoatra! Hitombo ho in-6 isan-kerinandro ny zotra fiaramanidina Emirates mampitohy an’i Dubai sy Antananarivo, mandalo atsy Mahe Seychelles, manomboka ny 2 avrily 2025 izao, raha in-4 izany ankehitriny. Nambaran’ny filoha lefitry ny fitantanan-draharaha Azia Andrefana sy ny ranomasimbe Indiana ao amin’ny kaompania Emirates, Essa Sulaiman Ahmad, omaly, fa […]

Fadintseranana malagasy: nitombo 101% ny haba tafiditra ny taona 2024

Tapitra ny faran’ny taona 2024 teo ny dimy taona voafaritry ny drafi-panarenan’ny fitantanana foibe ny haban-tseranana (DGD) malagasy. Nahomby ny vokatra azo. Dingana vaovao indray ny drafi-panarenana ny fitantanana ny haban-tseranana na ladoany malagasy ho an’ny dimy taona manaraka (2025-2029). Raha asiana jery todika ny teo aloha, nahomby ary nihoatra […]