Taratra

Fandraharahana ho an’ny tanora : Nahazo famatsiam-bola avokoa ny tetikasa miisa 10

Misongadina hatrany ny tanora malagasy ao anatin’ny fifaninanana tetikasa fandraharahana mitrandraka ny haivao, karakarain’ny Confejes. Nisitraka famatsiam-bola avokoa ny tetikasa 10 avy eto Madagasikara nifaninana ho an’ny famaranana. Nahazo famatsiam-bola avokoa ny tetikasa fandraharahana miisa 10 naroson’ny tanora malagasy nifaninana tamin’ny Fan­da­ha­ra­nasa fampiroboroboana ny fandraharahan’ny tanora (PPEJ/ CTSO) 2026 an’ny […]

Baolina kitra – D2 Nasionaly : Hiady ny tapakila ny Disciples FC sy ny Toulon

Hotanterahina ao amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha, rahampitso, ny lalao famaranan’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga, taranja baolina kitra. Hiady ny amboara sy ny medaly volamena, amin’izany, ny ekipan’ny Disciples FC Espoir sy ny Toulon Academy Football. Raha hiverenana kely ny manasa-dalan’izy ireo, lavon’ny Disciples tamin’ny isa 2 no ho 0, […]

CAMS : Nivoaka ny andiany faha-7 “Rohi”

Mpisehatra eo amin’ny fanatanjahantena 17 mianadahy no nahavita ny fiofanana Cams (Cours Avancés en Management du Sport), ka navoaka ofisialy, teny amin’ny Sky Blue Ankadindrarombo, omaly. Andiany faha-7 ity nivoaka ity izay mitondra ny anarana “Rohi”, izay midika hoe fifandraisana (Rafitra-Orina-Hetsika-Ivoniainy). Ta­ranjam-panatanjahantena 17 no nanana solontena tamin’ity fiofanana ity, ka […]

Atao amin’ny teny malagasy : Laharam-pahamehana ny fampianarana

Manomboka tazana eny amin’ny tambajotran-tserasera ny famoahana lahatsoratra na fampahafantarana didy aman-dalàna na fanapahan-kevitra voasoratra amin’ny teny malagasy. Efa dingana lehibe sy fahasahiana goavana ny tahaka izany. Mbola mitoetra ho laharam-pahamehana kosa, anefa, ny fampianarana ny zaza na ny taranaka malagasy amin’ny tenin-drazany. Io no mila ahitsy haingana. Ampianarina sy […]

« Quiz Poésie Africaine » : Tompondaka i Miangola Ony

Tontosa omaly ny fanolorana ny loka ireo nisongadina tamin’ilay fifaninanana « Le quiz de la poésie africaine ». Natao hanasongadinana ny literatiora afrikanina izany. Nikatona ilay fifaninanana «Le quiz de la poésie africaine, Jacques Rabemananjara – Martial Sinda», ho an’i Madagasikara. Notolorana ny lokany, omaly, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena, Anosy, ireo […]