Tsy mety ho foana, 25 ny tranga fakana an-keriny niseho nanerana ny Nosy, ho an’ny taona 2024. Nahitana fihenana izany satria 60 ireo lasibatra ho an’ny taona 2023. Mitohy ny ezaka ataon’ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena manoloana ny tranga fakana an-keriny. Ho an’ny taon-dasa 2024, olona 25 nalain’ny dahalo natao takalonaina. […]
Taratra
ANTANANARIVO RENIVOHITRA: voatsipaka avokoa ny fitoriann’ny mpanohitra tamin’ny fifidianana
Nivoaka, omaly, ny didim-pitsarana mahakasika ireo fitoriana ny kandidà ben’ny Tanàna Antananarivo, Ramanantsoa Harilala. Samy voatsipaka avokoa ny fitakian’ireo kandidà ny amin’ny hanalana an-daharana azy. Tsy hisy fiovana firy intsony ny ho voka-pifidianana ofisialy ho an’ny ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina eto Antananarivo Renivohitra, izay hivoaka ofisialy rahampitso, etsy amin’ny Taf […]
Sesilany ny fanafihana ao Toamasina: 12 tapitrisa Ariary indray voaroban’ny jiolahy
« Efa isan’andro izao fanafihana sesilany izao no miseho eto, famoizan’aina, fahaverezana fananan’ olona, faharatrana mahazo ny mpiara-belona. Lany fanahy mbola velona ny eto Toamasina », hoy ireo nanatri-maso ny fanafihana mitam-piadiana tetsy amin’ ny Cité Valpinson, parisela 11/76, tsy lavitry ny paositry ny polisin’ny Fip, etsy Ankirihiry, omaly tolakandro. Nitrangana fanafihana […]
Vaovao tambatra
Mihodina daholo ny gropy miisa 4 any Andekaleka satria nirotsaka ny orana. Foana, araka izany, ny fanapahan-jiro na ny delestazy eto amin’ny tambajotra Antananarivo sy ny manodidina (RIA). Manamarika ny Jirama, fa fanapahana ara-teknika no atao raha misy ny jiro tapaka. Hampiakarina ny vidin’ny trondro raisin’ny kaoperativa Fifimpava amin’ny mpanjono […]
RN6: efa azon’ny fiarakely aleha ny eo Mahavavy
Mikaroka ny fomba rehetra hamerenana amin’ny laoniny haingana ny fifamoivoizana ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP), taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Dikeledi sy ny orana nentiny. Ho an’ny lalam-pirenena, RNS5, mampitohy an’i Toamasina sy i Fenoarivo Atsinanana, faritra Analanjirofo, efa any an-toerana ny orinasa Sinohydro, manarina ny simba rehetra, toy ny manala ny […]