Taratra

Halohalika ny ranom-bary

Vita izay ny kifetifety. Efa miasa sy miverina amin’ny laoniny ny andavanandro. Taona vaovao mandalo sedra sy fanamby maro. Ny politika, tsy hita izay ilazana azy. Miandry am-pitoniana ny voka-pifidianana avy amin’ny Tribonaly misahana ny ady atao amin’ny fanjakana. Miankina amin’izay ny ho fivoaran’ny toe-java-misy eto amin’ny firenena. Efa manambanambana […]

Fikaroham-bahaolana: ho raikitra ny fikaonandohan’ny herivelona

Nanao fanambarana ireo eo anivon’ny Komity iombonan’ny mpiasa (Kim) sy ireo sendikà ary ireo mpanao politika vitsivitsy. Nambaran’izy ireo, tamin’izany, fa efa tena halohalika ny ranom-bary. «Tsy mandeha ho azy ireny hafatra sy fanambarana na­taon’ireo raiamandreny am-panahy ireny. Koa miantso ny herivelona eto amin’ny firenena izahay hikaondoha hiaraka hitady vahaolana […]

Tselatra

Renim-pianakaviana hita faty tao Toamasina, omaly maraina tamin’ny 10 ora. Mpandalo no nahatsikaritra io ramatoa io tao anatin’ny ahitra, teo amin’ny lalan’ny fahaleovantena. Matin’ny hanohanana io ramatoa io, araka ny loharanom-baovao. Notanana am-ponja ireo telo lahy tratra nangalatra kisoa tao Ambodisaha Imerintsiatosika, ny alatsinainy 6 janoary teo. Karohina ireo roa […]

Lozam-pifamoivoizana: lehilahy maty voafaokan’ny taksiborosy

Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray voafaokan’ny taksiborosy tao amin’ny Travaux Besorohitra, Fianarantsoa, omaly tamin’ny 10 ora sy sasany maraina. Nikasa hihazo an’Ambohimahasoa, nivoaka tampoka ny arabe io fiara mpitatitra io ka nifaoka andrin-jiro. Voadona ny mpandeha an-tongotra iray. Vokany, nitsirara tamin’ny tany io lehilahy niharan-doza io ka tsy tana […]

Tapa-tenda sy ratsam-batana: notetehin-janany tamin’ny antsibe ny raikeliny

Maty notetitetehin’ny tovolahy iray ny raikeliny, afakomaly. Voalazan’ny mpitandro filaminana fa mamon-drongony diso tafahoatra ity nahavanon-doza ity. Saika matin’ny fitsaram-bahoaka izy. Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray niharan’ny habibiana nataon’ny tovolahy taizany tao amin’ny tanànan’Andalamalama­hitsy, fokontany Androka­raoka, kominina renivohitra Mananarava Avaratra, afakomaly. Lehilahy 25 taona nitetika tamin’ny zava-maranitra an’io raikeliny […]