Maherin’ny 200 ireo fitoriana momba ny fifidianana ben’ny Tanàna voarain’ny Tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana (Taf), etsy Anosy. Anisan’ny efa notsaraina teny an-toerana ireo fitoriana maherin’ny 60 avy any amin’ny faritra Bongolava sy ny any Itasy ary koa ny eto Analamanga. Samy andrasana amin’ny famoahan’ny Taf ny voka-pifidianana ofisialy […]
Taratra
Nogiazan’ny zandary: depiote nahatrarana dingadingana
Fiara tsy mataho-dalana roa an’ny solombavambahoaka iray teo aloha nogiazan’ny zandarimaria fa nahatrarana dingadingana «cocombre de mer» tsy ara-dalàna, teny amin’ny lalam-pirenena faha-6, omaly. Niainga avy ao amin’ny distrikan’Analalava saika hihazo an’Ambanja ireo fiara miisa roa ireo. Nanao ny asa fisafoana sy fitsirihana eny anivon’io lalam-pirenena io, saron’ny zandary ny […]
Ambositra: velaran-tany 10 ha ravan’ny afo
Nisehoana doro tanety tao Ampitsatohana, Andriantsihy, Analambehivavy sy Antanimihetry fokontany Andranovory, kaominina ambanivohitr’Ambositra II, afakomaly maraina. Nidina haingana teny an-toerana namono ny afo nanampy ny fokonolona ny zandary ao amin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimaria Ambositra niaraka tamin’ny ekipan’ny Sampandraharaham-paritra misahana ny tontolo iainana. Tombanana ho 10 ha ny velaran-tany may, nahitana kininina, […]
Nandritra ny fisafoana: tovolahy iray maty voatifitry ny polisy
Nirefotra indray ny basy tao Tanambao Verrerie Amparangodorao Parisela 21/71, ny talata alina teo. Tsy lavitry ny toeram-pitsaboana iray no nitrangan’izany. Raha ny angom-baovao voaray teo anivon’ny polisy, tovolahy iray voalaza fa jiolahy saika hamaky trano ity maty voatifitra ity. Nikasa handositra izy ka voatery tsy maintsy nitifitra ny polisy. […]
Sombim-baovao
Fantatra ny firafitr’ireo ekipa malagasy roa hiatrika ny Passion Pétanque Française (PPF 2025). Hiaraka ry Tselonina sy Racle ary Nanou. Hitambatra iray kosa i Baloty sy i Tianakely ary i Zigle. Fifaninanana izay hatao ao Aix-en-Provence France ny 15 sy 16 febroary ho avy izao. Ho fanomanan’ny Barea ny «Chan […]